1[Ny tso-drano nataon'i Jakoba tamin'i Manase sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
1Après ces choses, l'on vint dire à Joseph: Voici, ton père est malade. Et il prit avec lui ses deux fils, Manassé et Ephraïm.
2Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
2On avertit Jacob, et on lui dit: Voici ton fils Joseph qui vient vers toi. Et Israël rassembla ses forces, et s'assit sur son lit.
3Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
3Jacob dit à Joseph: Le Dieu tout-puissant m'est apparu à Luz, dans le pays de Canaan, et il m'a béni.
4Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
4Il m'a dit: Je te rendrai fécond, je te multiplierai, et je ferai de toi une multitude de peuples; je donnerai ce pays à ta postérité après toi, pour qu'elle le possède à toujours.
5Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
5Maintenant, les deux fils qui te sont nés au pays d'Egypte, avant mon arrivée vers toi en Egypte, seront à moi; Ephraïm et Manassé seront à moi, comme Ruben et Siméon.
6Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
6Mais les enfants que tu as engendrés après eux seront à toi; ils seront appelés du nom de leurs frères dans leur héritage.
7Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
7A mon retour de Paddan, Rachel mourut en route auprès de moi, dans le pays de Canaan, à quelque distance d'Ephrata; et c'est là que je l'ai enterrée, sur le chemin d'Ephrata, qui est Bethléhem.
8Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
8Israël regarda les fils de Joseph, et dit: Qui sont ceux-ci?
9Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
9Joseph répondit à son père: Ce sont mes fils, que Dieu m'a donnés ici. Israël dit: Fais-les, je te prie, approcher de moi, pour que je les bénisse.
10Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
10Les yeux d'Israël étaient appesantis par la vieillesse; il ne pouvait plus voir. Joseph les fit approcher de lui; et Israël leur donna un baiser, et les embrassa.
11Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
11Israël dit à Joseph: Je ne pensais pas revoir ton visage, et voici que Dieu me fait voir même ta postérité.
12Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.
12Joseph les retira des genoux de son père, et il se prosterna en terre devant lui.
13Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
13Puis Joseph les prit tous deux, Ephraïm de sa main droite à la gauche d'Israël, et Manassé de sa main gauche à la droite d'Israël, et il les fit approcher de lui.
14Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
14Israël étendit sa main droite et la posa sur la tête d'Ephraïm qui était le plus jeune, et il posa sa main gauche sur la tête de Manassé: ce fut avec intention qu'il posa ses mains ainsi, car Manassé était le premier-né.
15Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
15Il bénit Joseph, et dit: Que le Dieu en présence duquel ont marché mes pères, Abraham et Isaac, que le Dieu qui m'a conduit depuis que j'existe jusqu'à ce jour,
16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
16que l'ange qui m'a délivré de tout mal, bénisse ces enfants! Qu'ils soient appelés de mon nom et du nom de mes pères, Abraham et Isaac, et qu'ils multiplient en abondance au milieu du pays!
17Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
17Joseph vit avec déplaisir que son père posait sa main droite sur la tête d'Ephraïm; il saisit la main de son père, pour la détourner de dessus la tête d'Ephraïm, et la diriger sur celle de Manassé.
18ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana.
18Et Joseph dit à son père: Pas ainsi, mon père, car celui-ci est le premier-né; pose ta main droite sur sa tête.
19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
19Son père refusa, et dit: Je le sais, mon fils, je le sais; lui aussi deviendra un peuple, lui aussi sera grand; mais son frère cadet sera plus grand que lui, et sa postérité deviendra une multitude de nations.
20Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
20Il les bénit ce jour-là, et dit: C'est par toi qu'Israël bénira, en disant: Que Dieu te traite comme Ephraïm et comme Manassé! Et il mit Ephraïm avant Manassé.
21Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
21Israël dit à Joseph: Voici, je vais mourir! Mais Dieu sera avec vous, et il vous fera retourner dans le pays de vos pères.
22Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
22Je te donne, de plus qu'à tes frères, une part que j'ai prise de la main des Amoréens avec mon épée et avec mon arc.