1[Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
1Embouche la trompette! L'ennemi fond comme un aigle sur la maison de l'Eternel, Parce qu'ils ont violé mon alliance, Et transgressé ma loi.
2Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
2Ils crieront vers moi: Mon Dieu, nous te connaissons, nous Israël!
3Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
3Israël a rejeté le bien; L'ennemi le poursuivra.
4Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
4Ils ont établi des rois sans mon ordre, Et des chefs à mon insu; Ils ont fait des idoles avec leur argent et leur or; C'est pourquoi ils seront anéantis.
5Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?[Na: Ataony ho zava-maharikoriko][Heb. aminy][Heb. tohany]
5L'Eternel a rejeté ton veau, Samarie! Ma colère s'est enflammée contre eux. Jusques à quand refuseront-ils de se purifier?
6Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
6Il vient d'Israël, un ouvrier l'a fabriqué, Et ce n'est pas un Dieu; C'est pourquoi le veau de Samarie sera mis en pièces.
7Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
7Puisqu'ils ont semé du vent, ils moissonneront la tempête; Ils n'auront pas un épi de blé; Ce qui poussera ne donnera point de farine, Et s'il y en avait, des étrangers la dévoreraient.
8Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.
8Israël est anéanti! Ils sont maintenant parmi les nations Comme un vase qui n'a pas de prix.
9Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny [Heb. fitiavany]
9Car ils sont allés en Assyrie, Comme un âne sauvage qui se tient à l'écart; Ephraïm a fait des présents pour avoir des amis.
10Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
10Quand même ils font des présents parmi les nations, Je vais maintenant les rassembler, Et bientôt ils souffriront sous le fardeau du roi des princes.
11Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
11Ephraïm a multiplié les autels pour pécher, Et ces autels l'ont fait tomber dans le péché.
12Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
12Que j'écrive pour lui toutes les ordonnances de ma loi, Elles sont regardées comme quelque chose d'étranger.
13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
13Ils immolent des victimes qu'ils m'offrent, Et ils en mangent la chair: L'Eternel n'y prend point de plaisir. Maintenant l'Eternel se souvient de leur iniquité, Et il punira leurs péchés: Ils retourneront en Egypte.
14Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
14Israël a oublié celui qui l'a fait, Et a bâti des palais, Et Juda a multiplié les villes fortes; Mais j'enverrai le feu dans leurs villes, Et il en dévorera les palais.