1[Anatra ny amin'ny, fitanana ny marina sy fitandremana ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny ionoka] Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
1Ainsi parle l'Eternel: Observez ce qui est droit, et pratiquez ce qui est juste; Car mon salut ne tardera pas à venir, Et ma justice à se manifester.
2Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
2Heureux l'homme qui fait cela, Et le fils de l'homme qui y demeure ferme, Gardant le sabbat, pour ne point le profaner, Et veillant sur sa main, pour ne commettre aucun mal!
3Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
3Que l'étranger qui s'attache à l'Eternel ne dise pas: L'Eternel me séparera de son peuple! Et que l'eunuque ne dise pas: Voici, je suis un arbre sec!
4Fa izao no lazain'i Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
4Car ainsi parle l'Eternel: Aux eunuques qui garderont mes sabbats, Qui choisiront ce qui m'est agréable, Et qui persévéreront dans mon alliance,
5Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
5Je donnerai dans ma maison et dans mes murs une place et un nom Préférables à des fils et à des filles; Je leur donnerai un nom éternel, Qui ne périra pas.
6Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko
6Et les étrangers qui s'attacheront à l'Eternel pour le servir, Pour aimer le nom de l'Eternel, Pour être ses serviteurs, Tous ceux qui garderont le sabbat, pour ne point le profaner, Et qui persévéreront dans mon alliance,
7Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra.
7Je les amènerai sur ma montagne sainte, Et je les réjouirai dans ma maison de prière; Leurs holocaustes et leurs sacrifices seront agréés sur mon autel; Car ma maison sera appelée une maison de prière pour tous les peuples.
8Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
8Le Seigneur, l'Eternel, parle, Lui qui rassemble les exilés d'Israël: Je réunirai d'autres peuples à lui, aux siens déjà rassemblés.
9[Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely, sy ny nataon'ny olona koa] He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an'ala. [Na: He, ianareo bibi-dia rehetra, Avia hihinana ny biby rehetra any an'ala]
9Vous toutes, bêtes des champs, Venez pour manger, vous toutes, bêtes de la forêt!
10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
10Ses gardiens sont tous aveugles, sans intelligence; Ils sont tous des chiens muets, incapables d'aboyer; Ils ont des rêveries, se tiennent couchés, Aiment à sommeiller.
11Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
11Et ce sont des chiens voraces, insatiables; Ce sont des bergers qui ne savent rien comprendre; Tous suivent leur propre voie, Chacun selon son intérêt, jusqu'au dernier: -
12Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
12Venez, je vais chercher du vin, Et nous boirons des liqueurs fortes! Nous en ferons autant demain, Et beaucoup plus encore! -