1[Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
1Tsophar de Naama prit la parole et dit:
2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
2Cette multitude de paroles ne trouvera-t-elle point de réponse, Et suffira-t-il d'être un discoureur pour avoir raison?
3Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
3Tes vains propos feront-ils taire les gens? Te moqueras-tu, sans que personne te confonde?
4Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
4Tu dis: Ma manière de voir est juste, Et je suis pur à tes yeux.
5Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
5Oh! si Dieu voulait parler, S'il ouvrait les lèvres pour te répondre,
6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
6Et s'il te révélait les secrets de sa sagesse, De son immense sagesse, Tu verrais alors qu'il ne te traite pas selon ton iniquité.
7Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']
7Prétends-tu sonder les pensées de Dieu, Parvenir à la connaissance parfaite du Tout-Puissant?
8Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
8Elle est aussi haute que les cieux: que feras-tu? Plus profonde que le séjour des morts: que sauras-tu?
9Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
9La mesure en est plus longue que la terre, Elle est plus large que la mer.
10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
10S'il passe, s'il saisit, S'il traîne à son tribunal, qui s'y opposera?
11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
11Car il connaît les vicieux, Il voit facilement les coupables.
12Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
12L'homme, au contraire, a l'intelligence d'un fou, Il est né comme le petit d'un âne sauvage.
13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
13Pour toi, dirige ton coeur vers Dieu, Etends vers lui tes mains,
14Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
14Eloigne-toi de l'iniquité, Et ne laisse pas habiter l'injustice sous ta tente.
15Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
15Alors tu lèveras ton front sans tache, Tu seras ferme et sans crainte;
16Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
16Tu oublieras tes souffrances, Tu t'en souviendras comme des eaux écoulées.
17Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
17Tes jours auront plus d'éclat que le soleil à son midi, Tes ténèbres seront comme la lumière du matin,
18Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
18Tu seras plein de confiance, et ton attente ne sera plus vaine; Tu regarderas autour de toi, et tu reposeras en sûreté.
19Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
19Tu te coucheras sans que personne ne te trouble, Et plusieurs caresseront ton visage.
20Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
20Mais les yeux des méchants seront consumés; Pour eux point de refuge; La mort, voilà leur espérance!