1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Job prit la parole et dit:
2Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]
2Maintenant encore ma plainte est une révolte, Mais la souffrance étouffe mes soupirs.
3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
3Oh! si je savais où le trouver, Si je pouvais arriver jusqu'à son trône,
4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
4Je plaiderais ma cause devant lui, Je remplirais ma bouche d'arguments,
5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
5Je connaîtrais ce qu'il peut avoir à répondre, Je verrais ce qu'il peut avoir à me dire.
6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
6Emploierait-il toute sa force à me combattre? Ne daignerait-il pas au moins m'écouter?
7Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
7Ce serait un homme droit qui plaiderait avec lui, Et je serais pour toujours absous par mon juge.
8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
8Mais, si je vais à l'orient, il n'y est pas; Si je vais à l'occident, je ne le trouve pas;
9Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
9Est-il occupé au nord, je ne puis le voir; Se cache-t-il au midi, je ne puis le découvrir.
10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
10Il sait néanmoins quelle voie j'ai suivie; Et, s'il m'éprouvait, je sortirais pur comme l'or.
11Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
11Mon pied s'est attaché à ses pas; J'ai gardé sa voie, et je ne m'en suis point détourné.
12Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.[Na: anjara-haniko]
12Je n'ai pas abandonné les commandements de ses lèvres; J'ai fait plier ma volonté aux paroles de sa bouche.
13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
13Mais sa résolution est arrêtée; qui s'y opposera? Ce que son âme désire, il l'exécute.
14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
14Il accomplira donc ses desseins à mon égard, Et il en concevra bien d'autres encore.
15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
15Voilà pourquoi sa présence m'épouvante; Quand j'y pense, j'ai peur de lui.
16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
16Dieu a brisé mon courage, Le Tout-Puissant m'a rempli d'effroi.
17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
17Car ce ne sont pas les ténèbres qui m'anéantissent, Ce n'est pas l'obscurité dont je suis couvert.