Malagasy

French 1910

Judges

11

1Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
1Jephthé, le Galaadite, était un vaillant héros. Il était fils d'une femme prostituée; et c'est Galaad qui avait engendré Jephthé.
2Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
2La femme de Galaad lui enfanta des fils, qui, devenus grands, chassèrent Jephthé, et lui dirent: Tu n'hériteras pas dans la maison de notre père, car tu es fils d'une autre femme.
3Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
3Et Jephthé s'enfuit loin de ses frères, et il habita dans le pays de Tob. Des gens de rien se rassemblèrent auprès de Jephthé, et ils faisaient avec lui des excursions.
4Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
4Quelque temps après, les fils d'Ammon firent la guerre à Israël.
5Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
5Et comme les fils d'Ammon faisaient la guerre à Israël, les anciens de Galaad allèrent chercher Jephthé au pays de Tob.
6Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
6Ils dirent à Jephthé: Viens, tu seras notre chef, et nous combattrons les fils d'Ammon.
7Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
7Jephthé répondit aux anciens de Galaad: N'avez-vous pas eu de la haine pour moi, et ne m'avez-vous pas chassé de la maison de mon père? Pourquoi venez-vous à moi maintenant que vous êtes dans la détresse?
8Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
8Les anciens de Galaad dirent à Jephthé: Nous revenons à toi maintenant, afin que tu marches avec nous, que tu combattes les fils d'Ammon, et que tu sois notre chef, celui de tous les habitants de Galaad.
9Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
9Jephthé répondit aux anciens de Galaad: Si vous me ramenez pour combattre les fils d'Ammon, et que l'Eternel les livre devant moi, je serai votre chef.
10Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
10Les anciens de Galaad dirent à Jephthé: Que l'Eternel nous entende, et qu'il juge, si nous ne faisons pas ce que tu dis.
11Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
11Et Jephthé partit avec les anciens de Galaad. Le peuple le mit à sa tête et l'établit comme chef, et Jephthé répéta devant l'Eternel, à Mitspa, toutes les paroles qu'il avait prononcées.
12Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
12Jephthé envoya des messagers au roi des fils d'Ammon, pour lui dire: Qu'y a-t-il entre moi et toi, que tu viennes contre moi pour faire la guerre à mon pays?
13Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
13Le roi des fils d'Ammon répondit aux messagers de Jephthé: C'est qu'Israël, quand il est monté d'Egypte, s'est emparé de mon pays, depuis l'Arnon jusqu'au Jabbok et au Jourdain. Rends-le maintenant de bon gré.
14Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
14Jephthé envoya de nouveau des messagers au roi des fils d'Ammon,
15ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.
15pour lui dire: Ainsi parle Jephthé: Israël ne s'est point emparé du pays de Moab, ni du pays des fils d'Ammon.
16Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
16Car lorsque Israël est monté d'Egypte, il a marché dans le désert jusqu'à la mer Rouge, et il est arrivé à Kadès.
17Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
17Alors Israël envoya des messagers au roi d'Edom, pour lui dire: Laisse-moi passer par ton pays. Mais le roi d'Edom n'y consentit pas. Il en envoya aussi au roi de Moab, qui refusa. Et Israël resta à Kadès.
18Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
18Puis il marcha par le désert, tourna le pays d'Edom et le pays de Moab, et vint à l'orient du pays de Moab; ils campèrent au delà de l'Arnon, sans entrer sur le territoire de Moab, car l'Arnon est la frontière de Moab.
19Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
19Israël envoya des messagers à Sihon, roi des Amoréens, roi de Hesbon, et Israël lui dit: Laisse-nous passer par ton pays jusqu'au lieu où nous allons.
20Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
20Mais Sihon n'eut pas assez confiance en Israël pour le laisser passer sur son territoire; il rassembla tout son peuple, campa à Jahats, et combattit Israël.
21Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
21L'Eternel, le Dieu d'Israël, livra Sihon et tout son peuple entre les mains d'Israël, qui les battit. Israël s'empara de tout le pays des Amoréens établis dans cette contrée.
22Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
22Ils s'emparèrent de tout le territoire des Amoréens, depuis l'Arnon jusqu'au Jabbok, et depuis le désert jusqu'au Jourdain.
23Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
23Et maintenant que l'Eternel, le Dieu d'Israël, a chassé les Amoréens devant son peuple d'Israël, est-ce toi qui aurais la possession de leur pays?
24Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
24Ce que ton dieu Kemosch te donne à posséder, ne le posséderais-tu pas? Et tout ce que l'Eternel, notre Dieu, a mis en notre possession devant nous, nous ne le posséderions pas!
25Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
25Vaux-tu donc mieux que Balak, fils de Tsippor, roi de Moab? A-t-il contesté avec Israël, ou lui a-t-il fait la guerre?
26Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
26Voilà trois cents ans qu'Israël habite à Hesbon et dans les villes de son ressort, à Aroër et dans les villes de son ressort, et dans toutes les villes qui sont sur les bords de l'Arnon: pourquoi ne les lui avez-vous pas enlevées pendant ce temps-là?
27Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
27Je ne t'ai point offensé, et tu agis mal avec moi en me faisant la guerre. Que l'Eternel, le juge, soit aujourd'hui juge entre les enfants d'Israël et les fils d'Ammon!
28Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
28Le roi des fils d'Ammon n'écouta point les paroles que Jephthé lui fit dire.
29Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
29L'esprit de l'Eternel fut sur Jephthé. Il traversa Galaad et Manassé; il passa à Mitspé de Galaad; et de Mitspé de Galaad, il marcha contre les fils d'Ammon.
30Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,
30Jephthé fit un voeu à l'Eternel, et dit: Si tu livres entre mes mains les fils d'Ammon,
31dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
31quiconque sortira des portes de ma maison au-devant de moi, à mon heureux retour de chez les fils d'Ammon, sera consacré à l'Eternel, et je l'offrirai en holocauste.
32Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
32Jephthé marcha contre les fils d'Ammon, et l'Eternel les livra entre ses mains.
33Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
33Il leur fit éprouver une très grande défaite, depuis Aroër jusque vers Minnith, espace qui renfermait vingt villes, et jusqu'à Abel-Keramim. Et les fils d'Ammon furent humiliés devant les enfants d'Israël.
34Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
34Jephthé retourna dans sa maison à Mitspa. Et voici, sa fille sortit au-devant de lui avec des tambourins et des danses. C'était son unique enfant; il n'avait point de fils et point d'autre fille.
35Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
35Dès qu'il la vit, il déchira ses vêtements, et dit: Ah! ma fille! tu me jettes dans l'abattement, tu es au nombre de ceux qui me troublent! J'ai fait un voeu à l'Eternel, et je ne puis le révoquer.
36Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
36Elle lui dit: Mon père, si tu as fait un voeu à l'Eternel, traite-moi selon ce qui est sorti de ta bouche, maintenant que l'Eternel t'a vengé de tes ennemis, des fils d'Ammon.
37Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
37Et elle dit à son père: Que ceci me soit accordé: laisse-moi libre pendant deux mois! Je m'en irai, je descendrai dans les montagnes, et je pleurerai ma virginité avec mes compagnes.
38Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
38Il répondit: Va! Et il la laissa libre pour deux mois. Elle s'en alla avec ses compagnes, et elle pleura sa virginité sur les montagnes.
39Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraelyny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]
39Au bout des deux mois, elle revint vers son père, et il accomplit sur elle le voeu qu'il avait fait. Elle n'avait point connu d'homme. Dès lors s'établit en Israël la coutume
40ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]
40que tous les ans les filles d'Israël s'en vont célébrer la fille de Jephthé, le Galaadite, quatre jours par année.