1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
1Les chefs du peuple s'établirent à Jérusalem. Le reste du peuple tira au sort, pour qu'un sur dix vînt habiter Jérusalem, la ville sainte, et que les autres demeurassent dans les villes.
2Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
2Le peuple bénit tous ceux qui consentirent volontairement à résider à Jérusalem.
3Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.
3Voici les chefs de la province qui s'établirent à Jérusalem. Dans les villes de Juda, chacun s'établit dans sa propriété, dans sa ville, Israël, les sacrificateurs et les Lévites, les Néthiniens, et les fils des serviteurs de Salomon.
4Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;
4A Jérusalem s'établirent des fils de Juda et des fils de Benjamin. -Des fils de Juda: Athaja, fils d'Ozias, fils de Zacharie, fils d'Amaria, fils de Schephathia, fils de Mahalaleel, des fils de Pérets,
5ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita.
5et Maaséja, fils de Baruc, fils de Col-Hozé, fils de Hazaja, fils d'Adaja, fils de Jojarib, fils de Zacharie, fils de Schiloni.
6Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
6Total des fils de Pérets qui s'établirent à Jérusalem: quatre cent soixante-huit hommes vaillants. -
7Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;
7Voici les fils de Benjamin: Sallu, fils de Meschullam, fils de Joëd, fils de Pedaja, fils de Kolaja, fils de Maaséja, fils d'Ithiel, fils d'Esaïe,
8ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
8et, après lui, Gabbaï et Sallaï, neuf cent vingt-huit.
9Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.
9Joël, fils de Zicri, était leur chef; et Juda, fils de Senua, était le second chef de la ville.
10Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.
10Des sacrificateurs: Jedaeja, fils de Jojarib, Jakin,
11Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
11Seraja, fils de Hilkija, fils de Meschullam, fils de Tsadok, fils de Merajoth, fils d'Achithub, prince de la maison de Dieu,
12Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,
12et leurs frères occupés au service de la maison, huit cent vingt-deux; Adaja, fils de Jerocham, fils de Pelalia, fils d'Amtsi, fils de Zacharie, fils de Paschhur, fils de Malkija,
13ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,
13et ses frères, chefs des maisons paternelles, deux cent quarante-deux; et Amaschsaï, fils d'Azareel, fils d'Achzaï, fils de Meschillémoth, fils d'Immer,
14mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.
14et leurs frères, vaillants hommes, cent vingt-huit. Zabdiel, fils de Guedolim, était leur chef.
15Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;
15Des Lévites: Schemaeja, fils de Haschub, fils d'Azrikam, fils de Haschabia, fils de Bunni,
16ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.
16Schabbethaï et Jozabad, chargés des affaires extérieures de la maison de Dieu, et faisant partie des chefs des Lévites;
17Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.
17Matthania, fils de Michée, fils de Zabdi, fils d'Asaph, le chef qui entonnait la louange à la prière, et Bakbukia, le second parmi ses frères, et Abda, fils de Schammua, fils de Galal, fils de Jeduthun.
18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
18Total des Lévites dans la ville sainte: deux cent quatre-vingt-quatre.
19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
19Et les portiers: Akkub, Thalmon, et leurs frères, gardiens des portes, cent soixante-douze.
20Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.
20Le reste d'Israël, les sacrificateurs, les Lévites, s'établirent dans toutes les villes de Juda, chacun dans sa propriété.
21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
21Les Néthiniens s'établirent sur la colline, et ils avaient pour chefs Tsicha et Guischpa.
22Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.
22Le chef des Lévites à Jérusalem était Uzzi, fils de Bani, fils de Haschabia, fils de Matthania, fils de Michée, d'entre les fils d'Asaph, les chantres chargés des offices de la maison de Dieu;
23Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.
23car il y avait un ordre du roi concernant les chantres, et un salaire fixe leur était accordé pour chaque jour.
24Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.
24Pethachja, fils de Meschézabeel, des fils de Zérach, fils de Juda, était commissaire du roi pour toutes les affaires du peuple.
25Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
25Dans les villages et leurs territoires, des fils de Juda s'établirent à Kirjath-Arba et dans les lieux de son ressort, à Dibon et dans les lieux de son ressort, à Jekabtseel et dans les villages de son ressort,
26ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
26Jéschua, à Molada, à Beth-Paleth,
27sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
27Hatsar-Schual, à Beer-Schéba, et dans les lieux de son ressort,
28ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
28Tsiklag, à Mecona et dans les lieux de son ressort,
29ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
29En-Rimmon, à Tsorea, à Jarmuth,
30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.
30Zanoach, à Adullam, et dans les villages de leur ressort, à Lakis et dans son territoire, à Azéka et dans les lieux de son ressort. Ils s'établirent depuis Beer-Schéba jusqu'à la vallée de Hinnom.
31Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
31Les fils de Benjamin s'établirent, depuis Guéba, à Micmasch, à Ajja, à Béthel et dans les lieux de son ressort,
32ary tany Anatota sy Noba sy Anania
32Anathoth, à Nob, à Hanania,
33sy Hazora sy Rama sy Gitaima
33Hatsor, à Rama, à Guitthaïm,
34sy Hadida sy Zeboima sy Nebala
34Hadid, à Tseboïm, à Neballath,
35sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra.Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
35Lod et à Ono, la vallée des ouvriers.
36Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
36Il y eut des Lévites qui se joignirent à Benjamin, quoique appartenant aux divisions de Juda.