1[Fiantsoana izao tontolo izao hanompo an'i Jehovah] Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
1Psaume de louange. Poussez vers l'Eternel des cris de joie, Vous tous, habitants de la terre!
2Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
2Servez l'Eternel, avec joie, Venez avec allégresse en sa présence!
3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.[Na: fa tsy isika]
3Sachez que l'Eternel est Dieu! C'est lui qui nous a faits, et nous lui appartenons; Nous sommes son peuple, et le troupeau de son pâturage.
4Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
4Entrez dans ses portes avec des louanges, Dans ses parvis avec des cantiques! Célébrez-le, bénissez son nom!
5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
5Car l'Eternel est bon; sa bonté dure toujours, Et sa fidélité de génération en génération.