1[Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
1Au chef des chantres. Sur la harpe à huit cordes. Psaume de David. Sauve, Eternel! car les hommes pieux s'en vont, Les fidèles disparaissent parmi les fils de l'homme.
2Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
2On se dit des faussetés les uns aux autres, On a sur les lèvres des choses flatteuses, On parle avec un coeur double.
3Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
3Que l'Eternel extermine toutes les lèvres flatteuses, La langue qui discourt avec arrogance,
4Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
4Ceux qui disent: Nous sommes puissants par notre langue, Nous avons nos lèvres avec nous; Qui serait notre maître? -
5Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]
5Parce que les malheureux sont opprimés et que les pauvres gémissent, Maintenant, dit l'Eternel, je me lève, J'apporte le salut à ceux contre qui l'on souffle.
6Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
6Les paroles de l'Eternel sont des paroles pures, Un argent éprouvé sur terre au creuset, Et sept fois épuré.
7Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
7Toi, Eternel! tu les garderas, Tu les préserveras de cette race à jamais.
8Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
8Les méchants se promènent de toutes parts, Quand la bassesse règne parmi les fils de l'homme.