Malagasy

French 1910

Psalms

18

1[Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
1Au chef des chantres. Du serviteur de l'Eternel, de David, qui adressa à l'Eternel les paroles de ce cantique, lorsque l'Eternel l'eut délivré de la main de tous ses ennemis et de la main de Saül. Il dit: Je t'aime, ô Eternel, ma force!
2Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
2Eternel, mon rocher, ma forteresse, mon libérateur! Mon Dieu, mon rocher, où je trouve un abri! Mon bouclier, la force qui me sauve, ma haute retraite!
3Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
3Je m'écrie: Loué soit l'Eternel! Et je suis délivré de mes ennemis.
4Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
4Les liens de la mort m'avaient environné, Et les torrents de la destruction m'avaient épouvanté;
5Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]
5Les liens du sépulcre m'avaient entouré, Les filets de la mort m'avaient surpris.
6Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
6Dans ma détresse, j'ai invoqué l'Eternel, J'ai crié à mon Dieu; De son palais, il a entendu ma voix, Et mon cri est parvenu devant lui à ses oreilles.
7Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
7La terre fut ébranlée et trembla, Les fondements des montagnes frémirent, Et ils furent ébranlés, parce qu'il était irrité.
8Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
8Il s'élevait de la fumée dans ses narines, Et un feu dévorant sortait de sa bouche: Il en jaillissait des charbons embrasés.
9Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
9Il abaissa les cieux, et il descendit: Il y avait une épaisse nuée sous ses pieds.
10Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
10Il était monté sur un chérubin, et il volait, Il planait sur les ailes du vent.
11Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.[Heb: aizin-drano]
11Il faisait des ténèbres sa retraite, sa tente autour de lui, Il était enveloppé des eaux obscures et de sombres nuages.
12Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
12De la splendeur qui le précédait s'échappaient les nuées, Lançant de la grêle et des charbons de feu.
13Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
13L'Eternel tonna dans les cieux, Le Très-Haut fit retentir sa voix, Avec la grêle et les charbons de feu.
14Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
14Il lança ses flèches et dispersa mes ennemis, Il multiplia les coups de la foudre et les mit en déroute.
15Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
15Le lit des eaux apparut, Les fondements du monde furent découverts, Par ta menace, ô Eternel! Par le bruit du souffle de tes narines.
16Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;
16Il étendit sa main d'en haut, il me saisit, Il me retira des grandes eaux;
17Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
17Il me délivra de mon adversaire puissant, De mes ennemis qui étaient plus forts que moi.
18Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
18Ils m'avaient surpris au jour de ma détresse; Mais l'Eternel fut mon appui.
19Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
19Il m'a mis au large, Il m'a sauvé, parce qu'il m'aime.
20Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
20L'Eternel m'a traité selon ma droiture, Il m'a rendu selon la pureté de mes mains;
21Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
21Car j'ai observé les voies de l'Eternel, Et je n'ai point été coupable envers mon Dieu.
22Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
22Toutes ses ordonnances ont été devant moi, Et je ne me suis point écarté de ses lois.
23Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
23J'ai été sans reproche envers lui, Et je me suis tenu en garde contre mon iniquité.
24Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
24Aussi l'Eternel m'a rendu selon ma droiture, Selon la pureté de mes mains devant ses yeux.
25Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
25Avec celui qui est bon tu te montres bon, Avec l'homme droit tu agis selon la droiture,
26Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. [Heb: miolakolaka]
26Avec celui qui est pur tu te montres pur, Et avec le pervers tu agis selon sa perversité.
27Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
27Tu sauves le peuple qui s'humilie, Et tu abaisses les regards hautains.
28Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
28Oui, tu fais briller ma lumière; L'Eternel, mon Dieu, éclaire mes ténèbres.
29Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
29Avec toi je me précipite sur une troupe en armes, Avec mon Dieu je franchis une muraille.
30Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
30Les voies de Dieu sont parfaites, La parole de l'Eternel est éprouvée; Il est un bouclier pour tous ceux qui se confient en lui.
31Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
31Car qui est Dieu, si ce n'est l'Eternel; Et qui est un rocher, si ce n'est notre Dieu?
32Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
32C'est Dieu qui me ceint de force, Et qui me conduit dans la voie droite.
33Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
33Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me place sur mes lieux élevés.
34Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
34Il exerce mes mains au combat, Et mes bras tendent l'arc d'airain.
35Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
35Tu me donnes le bouclier de ton salut, Ta droite me soutient, Et je deviens grand par ta bonté.
36Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
36Tu élargis le chemin sous mes pas, Et mes pieds ne chancellent point.
37Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
37Je poursuis mes ennemis, je les atteins, Et je ne reviens pas avant de les avoir anéantis.
38Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
38Je les brise, et ils ne peuvent se relever; Ils tombent sous mes pieds.
39Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
39Tu me ceins de force pour le combat, Tu fais plier sous moi mes adversaires.
40Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
40Tu fais tourner le dos à mes ennemis devant moi, Et j'extermine ceux qui me haïssent.
41Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
41Ils crient, et personne pour les sauver! Ils crient à l'Eternel, et il ne leur répond pas!
42Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
42Je les broie comme la poussière qu'emporte le vent, Je les foule comme la boue des rues.
43Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
43Tu me délivres des dissensions du peuple; Tu me mets à la tête des nations; Un peuple que je ne connaissais pas m'est asservi.
44Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
44Ils m'obéissent au premier ordre, Les fils de l'étranger me flattent;
45Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
45Les fils de l'étranger sont en défaillance, Ils tremblent hors de leurs forteresses.
46Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
46Vive l'Eternel, et béni soit mon rocher! Que le Dieu de mon salut soit exalté,
47Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
47Le Dieu qui est mon vengeur, Qui m'assujettit les peuples,
48Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
48Qui me délivre de mes ennemis! Tu m'élèves au-dessus de mes adversaires, Tu me sauves de l'homme violent.
49Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
49C'est pourquoi je te louerai parmi les nations, ô Eternel! Et je chanterai à la gloire de ton nom.
50Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
50Il accorde de grandes délivrances à son roi, Et il fait miséricorde à son oint, A David, et à sa postérité, pour toujours.