Malagasy

French 1910

Psalms

20

1[Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
1Au chef des chantres. Psaume de David. Que l'Eternel t'exauce au jour de la détresse, Que le nom du Dieu de Jacob te protège!
2Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
2Que du sanctuaire il t'envoie du secours, Que de Sion il te soutienne!
3Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
3Qu'il se souvienne de toutes tes offrandes, Et qu'il agrée tes holocaustes! -Pause.
4Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
4Qu'il te donne ce que ton coeur désire, Et qu'il accomplisse tous tes desseins!
5Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
5Nous nous réjouirons de ton salut, Nous lèverons l'étendard au nom de notre Dieu; L'Eternel exaucera tous tes voeux.
6Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
6Je sais déjà que l'Eternel sauve son oint; Il l'exaucera des cieux, de sa sainte demeure, Par le secours puissant de sa droite.
7Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
7Ceux-ci s'appuient sur leurs chars, ceux-là sur leurs chevaux; Nous, nous invoquons le nom de l'Eternel, notre Dieu.
8Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
8Eux, ils plient, et ils tombent; Nous, nous tenons ferme, et restons debout.
9Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
9Eternel, sauve le roi! Qu'il nous exauce, quand nous l'invoquons!