Malagasy

French 1910

Psalms

34

1[Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
1De David. Lorsqu'il contrefit l'insensé en présence d'Abimélec, et qu'il s'en alla chassé par lui. Je bénirai l'Eternel en tout temps; Sa louange sera toujours dans ma bouche.
2Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
2Que mon âme se glorifie en l'Eternel! Que les malheureux écoutent et se réjouissent!
3Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
3Exaltez avec moi l'Eternel! Célébrons tous son nom!
4Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
4J'ai cherché l'Eternel, et il m'a répondu; Il m'a délivré de toutes mes frayeurs.
5Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
5Quand on tourne vers lui les regards, on est rayonnant de joie, Et le visage ne se couvre pas de honte.
6Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
6Quand un malheureux crie, l'Eternel entend, Et il le sauve de toutes ses détresses.
7Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
7L'ange de l'Eternel campe autour de ceux qui le craignent, Et il les arrache au danger.
8Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
8Sentez et voyez combien l'Eternel est bon! Heureux l'homme qui cherche en lui son refuge!
9Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
9Craignez l'Eternel, vous ses saints! Car rien ne manque à ceux qui le craignent.
10Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
10Les lionceaux éprouvent la disette et la faim, Mais ceux qui cherchent l'Eternel ne sont privés d'aucun bien.
11Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
11Venez, mes fils, écoutez-moi! Je vous enseignerai la crainte de l'Eternel.
12Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
12Quel est l'homme qui aime la vie, Qui désire la prolonger pour jouir du bonheur?
13Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
13Préserve ta langue du mal, Et tes lèvres des paroles trompeuses;
14Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
14Eloigne-toi du mal, et fais le bien; Recherche et poursuis la paix.
15Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
15Les yeux de l'Eternel sont sur les justes, Et ses oreilles sont attentives à leurs cris.
16Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.
16L'Eternel tourne sa face contre les méchants, Pour retrancher de la terre leur souvenir.
17Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
17Quand les justes crient, l'Eternel entend, Et il les délivre de toutes leurs détresses;
18Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
18L'Eternel est près de ceux qui ont le coeur brisé, Et il sauve ceux qui ont l'esprit dans l'abattement.
19Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
19Le malheur atteint souvent le juste, Mais l'Eternel l'en délivre toujours.
20Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
20Il garde tous ses os, Aucun d'eux n'est brisé.
21Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
21Le malheur tue le méchant, Et les ennemis du juste sont châtiés.
22Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
22L'Eternel délivre l'âme de ses serviteurs, Et tous ceux qui l'ont pour refuge échappent au châtiment.