1[Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
1Au chef des chantres. D'après Jeduthun. Psaume d'Asaph. Ma voix s'élève à Dieu, et je crie; Ma voix s'élève à Dieu, et il m'écoutera.
2Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
2Au jour de ma détresse, je cherche le Seigneur; La nuit, mes mains sont étendues sans se lasser; Mon âme refuse toute consolation.
3Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
3Je me souviens de Dieu, et je gémis; Je médite, et mon esprit est abattu. -Pause.
4Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
4Tu tiens mes paupières en éveil; Et, dans mon trouble, je ne puis parler.
5Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
5Je pense aux jours anciens, Aux années d'autrefois.
6Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
6Je pense à mes cantiques pendant la nuit, Je fais des réflexions au dedans de mon coeur, Et mon esprit médite.
7Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
7Le Seigneur rejettera-t-il pour toujours? Ne sera-t-il plus favorable?
8Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
8Sa bonté est-elle à jamais épuisée? Sa parole est-elle anéantie pour l'éternité?
9Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
9Dieu a-t-il oublié d'avoir compassion? A-t-il, dans sa colère, retiré sa miséricorde? -Pause.
10Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
10Je dis: Ce qui fait ma souffrance, C'est que la droite du Très-Haut n'est plus la même...
11Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
11Je rappellerai les oeuvres de l'Eternel, Car je me souviens de tes merveilles d'autrefois;
12Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
12Je parlerai de toutes tes oeuvres, Je raconterai tes hauts faits.
13Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
13O Dieu! tes voies sont saintes; Quel dieu est grand comme Dieu?
14Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
14Tu es le Dieu qui fait des prodiges; Tu as manifesté parmi les peuples ta puissance.
15Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
15Par ton bras tu as délivré ton peuple, Les fils de Jacob et de Joseph. -Pause.
16Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
16Les eaux t'ont vu, ô Dieu! Les eaux t'ont vu, elles ont tremblé; Les abîmes se sont émus.
17Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
17Les nuages versèrent de l'eau par torrents, Le tonnerre retentit dans les nues, Et tes flèches volèrent de toutes parts.
18Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
18Ton tonnerre éclata dans le tourbillon, Les éclairs illuminèrent le monde; La terre s'émut et trembla.
19Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
19Tu te frayas un chemin par la mer, Un sentier par les grandes eaux, Et tes traces ne furent plus reconnues.
20Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
20Tu as conduit ton peuple comme un troupeau, Par la main de Moïse et d'Aaron.