1[Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
1Au chef des chantres. Sur les lis lyriques. D'Asaph. Psaume. Prête l'oreille, berger d'Israël, Toi qui conduis Joseph comme un troupeau! Parais dans ta splendeur, Toi qui es assis sur les chérubins!
2Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
2Devant Ephraïm, Benjamin et Manassé, réveille ta force, Et viens à notre secours!
3Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
3O Dieu, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!
4Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
4Eternel, Dieu des armées! Jusques à quand t'irriteras-tu contre la prière de ton peuple?
5Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
5Tu les nourris d'un pain de larmes. Tu les abreuves de larmes à pleine mesure.
6Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
6Tu fais de nous un objet de discorde pour nos voisins, Et nos ennemis se raillent de nous.
7Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
7Dieu des armées, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!
8Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
8Tu avais arraché de l'Egypte une vigne; Tu as chassé des nations, et tu l'as plantée.
9Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
9Tu as fait place devant elle: Elle a jeté des racines et rempli la terre;
10Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.[Heb: sederan'Andriamanitra]
10Les montagnes étaient couvertes de son ombre, Et ses rameaux étaient comme des cèdres de Dieu;
11Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.[Eofrata]
11Elle étendait ses branches jusqu'à la mer, Et ses rejetons jusqu'au fleuve.
12Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
12Pourquoi as-tu rompu ses clôtures, En sorte que tous les passants la dépouillent?
13Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
13Le sanglier de la forêt la ronge, Et les bêtes des champs en font leur pâture.
14Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
14Dieu des armées, reviens donc! Regarde du haut des cieux, et vois! considère cette vigne!
15Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
15Protège ce que ta droite a planté, Et le fils que tu t'es choisi!...
16Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
16Elle est brûlée par le feu, elle est coupée! Ils périssent devant ta face menaçante.
17Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
17Que ta main soit sur l'homme de ta droite, Sur le fils de l'homme que tu t'es choisi!
18Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
18Et nous ne nous éloignerons plus de toi. Fais-nous revivre, et nous invoquerons ton nom.
19Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
19Eternel, Dieu des armées, relève-nous! Fais briller ta face, et nous serons sauvés!