Malagasy

French 1910

Psalms

85

1[Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
1Au chef des chantres. Des fils de Koré. Psaume. Tu as été favorable à ton pays, ô Eternel! Tu as ramené les captifs de Jacob;
2Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
2Tu as pardonné l'iniquité de ton peuple, Tu as couvert tous ses péchés; Pause.
3Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
3Tu as retiré toute ta fureur, Tu es revenu de l'ardeur de ta colère.
4Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
4Rétablis-nous, Dieu de notre salut! Cesse ton indignation contre nous!
5Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
5T'irriteras-tu contre nous à jamais? Prolongeras-tu ta colère éternellement?
6Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
6Ne nous rendras-tu pas à la vie, Afin que ton peuple se réjouisse en toi?
7Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
7Eternel! fais-nous voir ta bonté, Et accorde-nous ton salut!
8Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
8J'écouterai ce que dit Dieu, l'Eternel; Car il parle de paix à son peuple et à ses fidèles, Pourvu qu'ils ne retombent pas dans la folie.
9Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.
9Oui, son salut est près de ceux qui le craignent, Afin que la gloire habite dans notre pays.
10Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
10La bonté et la fidélité se rencontrent, La justice et la paix s'embrassent;
11Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
11La fidélité germe de la terre, Et la justice regarde du haut des cieux.
12Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
12L'Eternel aussi accordera le bonheur, Et notre terre donnera ses fruits.
13Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
13La justice marchera devant lui, Et imprimera ses pas sur le chemin.