Malagasy

French 1910

Psalms

94

1[Fitarainana amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
1Dieu des vengeances, Eternel! Dieu des vengeances, parais!
2Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
2Lève-toi, juge de la terre! Rends aux superbes selon leurs oeuvres!
3Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
3Jusques à quand les méchants, ô Eternel! Jusques à quand les méchants triompheront-ils?
4Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
4Ils discourent, ils parlent avec arrogance; Tous ceux qui font le mal se glorifient.
5Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
5Eternel! ils écrasent ton peuple, Ils oppriment ton héritage;
6Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
6Ils égorgent la veuve et l'étranger, Ils assassinent les orphelins.
7Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
7Et ils disent: L'Eternel ne regarde pas, Le Dieu de Jacob ne fait pas attention!
8Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
8Prenez-y garde, hommes stupides! Insensés, quand serez-vous sages?
9Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
9Celui qui a planté l'oreille n'entendrait-il pas? Celui qui a formé l'oeil ne verrait-il pas?
10Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
10Celui qui châtie les nations ne punirait-il point, Lui qui donne à l'homme l'intelligence?
11Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
11L'Eternel connaît les pensées de l'homme, Il sait qu'elles sont vaines.
12Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
12Heureux l'homme que tu châties, ô Eternel! Et que tu instruis par ta loi,
13Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
13Pour le calmer aux jours du malheur, Jusqu'à ce que la fosse soit creusée pour le méchant!
14Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
14Car l'Eternel ne délaisse pas son peuple, Il n'abandonne pas son héritage;
15Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
15Car le jugement sera conforme à la justice, Et tous ceux dont le coeur est droit l'approuveront.
16Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
16Qui se lèvera pour moi contre les méchants? Qui me soutiendra contre ceux qui font le mal?
17Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
17Si l'Eternel n'était pas mon secours, Mon âme serait bien vite dans la demeure du silence.
18Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
18Quand je dis: Mon pied chancelle! Ta bonté, ô Eternel! me sert d'appui.
19Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
19Quand les pensées s'agitent en foule au dedans de moi, Tes consolations réjouissent mon âme.
20Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
20Les méchants te feraient-ils siéger sur leur trône, Eux qui forment des desseins iniques en dépit de la loi?
21Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
21Ils se rassemblent contre la vie du juste, Et ils condamnent le sang innocent.
22Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
22Mais l'Eternel est ma retraite, Mon Dieu est le rocher de mon refuge.
23Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
23Il fera retomber sur eux leur iniquité, Il les anéantira par leur méchanceté; L'Eternel, notre Dieu, les anéantira.