1[Ny nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
1Boaz monta à la porte, et s'y arrêta. Or voici, celui qui avait droit de rachat, et dont Boaz avait parlé, vint à passer. Boaz lui dit: Approche, reste ici, toi un tel. Et il s'approcha, et s'arrêta.
2Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
2Boaz prit alors dix hommes parmi les anciens de la ville, et il dit: Asseyez-vous ici. Et ils s'assirent.
3Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
3Puis il dit à celui qui avait le droit de rachat: Naomi, revenue du pays de Moab, a vendu la pièce de terre qui appartenait à notre frère Elimélec.
4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
4J'ai cru devoir t'en informer, et te dire: Acquiers-la, en présence des habitants et en présence des anciens de mon peuple. Si tu veux racheter, rachète; mais si tu ne veux pas, déclare-le-moi, afin que je le sache. Car il n'y a personne avant toi qui ait le droit de rachat, et je l'ai après toi. Et il répondit: je rachèterai.
5Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.
5Boaz dit: Le jour où tu acquerras le champ de la main de Naomi, tu l'acquerras en même temps de Ruth la Moabite, femme du défunt, pour relever le nom du défunt dans son héritage.
6Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
6Et celui qui avait le droit de rachat répondit: Je ne puis pas racheter pour mon compte, crainte de détruire mon héritage; prends pour toi mon droit de rachat, car je ne puis pas racheter.
7Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
7Autrefois en Israël, pour valider une affaire quelconque relative à un rachat ou à un échange, l'un ôtait son soulier et le donnait à l'autre: cela servait de témoignage en Israël.
8Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
8Celui qui avait le droit de rachat dit donc à Boaz: Acquiers pour ton compte! Et il ôta son soulier.
9Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.
9Alors Boaz dit aux anciens et à tout le peuple: Vous êtes témoins aujourd'hui que j'ai acquis de la main de Naomi tout ce qui appartenait à Elimélec, à Kiljon et à Machlon,
10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
10et que je me suis également acquis pour femme Ruth la Moabite, femme de Machlon, pour relever le nom du défunt dans son héritage, et afin que le nom du défunt ne soit point retranché d'entre ses frères et de la porte de son lieu. Vous en êtes témoins aujourd'hui!
11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
11Tout le peuple qui était à la porte et les anciens dirent: Nous en sommes témoins! Que l'Eternel rende la femme qui entre dans ta maison semblable à Rachel et à Léa, qui toutes les deux ont bâti la maison d'Israël! Manifeste ta force dans Ephrata, et fais-toi un nom dans Bethléhem!
12ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
12Puisse la postérité que l'Eternel te donnera par cette jeune femme rendre ta maison semblable à la maison de Pérets, qui fut enfanté à Juda par Tamar!
13Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
13Boaz prit Ruth, qui devint sa femme, et il alla vers elle. L'Eternel permit à Ruth de concevoir, et elle enfanta un fils.
14Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
14Les femmes dirent à Naomi: Béni soit l'Eternel, qui ne t'a point laissé manquer aujourd'hui d'un homme ayant droit de rachat, et dont le nom sera célébré en Israël!
15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
15Cet enfant restaurera ton âme, et sera le soutien de ta vieillesse; car ta belle-fille, qui t'aime, l'a enfanté, elle qui vaut mieux pour toi que sept fils.
16Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
16Naomi prit l'enfant et le mit sur son sein, et elle fut sa garde.
17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
17Les voisines lui donnèrent un nom, en disant: Un fils est né à Naomi! Et elles l'appelèrent Obed. Ce fut le père d'Isaï père de David.
18Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
18Voici la postérité de Pérets. Pérets engendra Hetsron;
19ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
19Hetsron engendra Ram; Ram engendra Amminadab;
20ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
20Amminadab engendra Nachschon; Nachschon engendra Salmon;
21ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
21Salmon engendra Boaz; Boaz engendra Obed;
22ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
22Obed engendra Isaï; et Isaï engendra David.