Malagasy

German: Schlachter (1951)

Zechariah

3

1[Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
1Und er ließ mich sehen den Hohenpriester Josua, stehend vor dem Engel des HERRN; und der Satan stand zu seiner Rechten, um ihn anzuklagen.
2Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?
2Da sprach der HERR zum Satan: Der HERR schelte dich, du Satan; ja, der HERR schelte dich, er, der Jerusalem erwählt hat! Ist dieser nicht ein Brand, der aus dem Feuer gerettet ist?
3Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
3Aber Josua hatte unreine Kleider an und stand doch vor dem Engel.
4Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
4Er aber antwortete und sprach zu denen, die vor ihm standen: Nehmt die unreinen Kleider von ihm weg! Und zu ihm sprach er: Siehe, ich habe deine Sünde von dir genommen und lasse dir Feierkleider anziehen!
5Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
5Und ich sprach: Man setze einen reinen Kopfbund auf sein Haupt! Da setzten sie den reinen Kopfbund auf sein Haupt und bekleideten ihn mit Gewändern, während der Engel des HERRN dastand.
6Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
6Und der Engel des HERRN bezeugte dem Josua und sprach:
7Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
7So spricht der HERR der Heerscharen: Wirst du in meinen Wegen wandeln und meinen Dienst fleißig versehen, so sollst du auch mein Haus regieren und meine Vorhöfe hüten, und ich will dir Zutritt geben unter diesen, die hier stehen!
8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko. [Na: solofo]
8Höre doch, Josua, du Hoherpriester, du und deine Amtsgenossen, die vor dir sitzen, sie sind Männer, die als Zeichen dienen! Denn siehe, ich lasse meinen Knecht, den Zemach, kommen.
9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
9Denn siehe, der Stein, welchen ich vor Josua gelegt habe, auf den einen Stein sind sieben Augen gerichtet; siehe, ich grabe seine Inschrift ein, spricht der HERR der Heerscharen, und will die Sünde dieses Landes an einem einzigen Tag entfernen!
10Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
10An jenem Tage, spricht der HERR der Heerscharen, werdet ihr einander einladen unter den Weinstock und den Feigenbaum.