1[Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
1[] Επαυσαν δε και οι τρεις ουτοι ανθρωποι αποκρινομενοι προς τον Ιωβ, διοτι ητο δικαιος εις τους οφθαλμους αυτου.
2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
2Τοτε εξηφθη ο θυμος του Ελιου, υιου του Βαραχιηλ του Βουζιτου, εκ της συγγενειας του Αραμ· κατα του Ιωβ εξηφθη ο θυμος αυτου, διοτι εδικαιονεν εαυτον μαλλον παρα τον Θεον.
3Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]
3Και κατα των τριων αυτου φιλων εξηφθη ο θυμος αυτου, διοτι δεν ευρηκαν αποκρισιν και κατεδικασαν τον Ιωβ.
4Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
4Ο δε Ελιου περιεμενε να λαληση προς τον Ιωβ, διοτι εκεινοι ησαν γεροντοτεροι αυτου.
5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
5Οτε δε ο Ελιου ειδεν, οτι δεν ητο αποκρισις εν τω στοματι των τριων ανδρων, εξηφθη ο θυμος αυτου.
6ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
6[] και απεκριθη ο Ελιου ο υιος του Βαραχιηλ του Βουζιτου και ειπεν· Εγω ειμαι νεος την ηλικιαν, και σεις γεροντες· δια τουτο εφοβηθην και συνεσταλην να σας φανερωσω την γνωμην μου.
7Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
7Εγω ειπα, Αι ημεραι ας λαλησωσι και το πληθος των ετων ας διδαξη, σοφιαν.
8Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
8Βεβαιως ειναι πνευμα εν τω ανθρωπω η εμπνευσις ομως του Παντοδυναμου συνετιζει αυτον.
9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
9Οι μεγαλητεροι δεν ειναι παντοτε σοφοι· ουτε οι γεροντες νοουσι κρισιν.
10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
10Δια τουτο ειπα, Ακουσατε μου· θελω φανερωσει και εγω την γνωμην μου.
11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
11Ιδου, επροσμενα τους λογους σας· ηκροασθην τα επιχειρηματα σας, εωσου εξετασητε τους λογους.
12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
12Και σας παρετηρουν, και ιδου, ουδεις εξ υμων ηδυνηθη να καταπειση τον Ιωβ, αποκρινομενος εις τους λογους αυτου·
13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
13δια να μη ειπητε, Ημεις ευρηκαμεν σοφιαν. Ο Θεος θελει καταβαλει αυτον, ουχι ανθρωπος.
14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
14Εκεινος δε δεν διηυθυνε λογους προς εμε· και δεν θελω αποκριθη προς αυτον κατα τας ομιλιας σας.
15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
15[] Εκεινοι ετρομαξαν, δεν απεκριθησαν πλεον· εχασαν τους λογους αυτων.
16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
16Και περιεμενον, επειδη δεν ελαλουν· αλλ' ισταντο· δεν απεκρινοντο πλεον.
17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
17Ας αποκριθω και εγω το μερος μου· ας φανερωσω και εγω την γνωμην μου.
18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
18Διοτι ειμαι πληρης λογων· το πνευμα εντος μου με αναγκαζει.
19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
19Ιδου, η κοιλια μου ειναι ως οινος οστις δεν ηνοιχθη· ειναι ετοιμη να σπαση, ως ασκοι γλευκους.
20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
20Θελω λαλησει δια να αναπνευσω· θελω ανοιξει τα χειλη μου και αποκριθη.
21Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
21Μη γενοιτο να γεινω προσωποληπτης, μηδε να κολακευσω ανθρωπον.
22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
22Διοτι δεν εξευρω να κολακευω· ο Ποιητης μου ηθελε με αναρπασει ευθυς.