Malagasy

Greek: Modern

Psalms

57

1[Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.
1[] <<Εις τον πρωτον μουσικον, επι Αλτασχεθ, Μικταμ του Δαβιδ, οτε εφευγεν απο προσωπου του Σαουλ εις το σπηλαιον.>> Ελεησον με, ω Θεε, ελεησον με· διοτι επι σε πεποιθεν η ψυχη μου, και επι την σκιαν των πτερυγων σου θελω ελπιζει, εωσου παρελθωσιν αι συμφοραι.
2Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
2Θελω κραζει προς τον Θεον τον Υψιστον, προς τον Θεον τον ευοδουντα τα παντα δι' εμε.
3Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
3Θελει εξαποστειλει εξ ουρανου και θελει με σωσει· θελει καταστησει ονειδος τον χασκοντα να με καταπιη· Διαψαλμα· ο Θεος θελει εξαποστειλει το ελεος αυτου και την αληθειαν αυτου.
4Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
4Η ψυχη μου ειναι μεταξυ λεοντων· κοιτομαι μεταξυ φλογερων ανθρωπων, των οποιων οι οδοντες ειναι λογχαι και βελη και η γλωσσα αυτων ξιφος οξυ.
5Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
5Υψωθητι, Θεε, επι τους ουρανους· η δοξα σου ας ηναι εφ' ολην την γην.
6Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na: nitanondrika ny fanahiko]
6Παγιδα ητοιμασαν εις τα βηματα μου· η ψυχη μου εκινδυνευε να πεση· εσκαψαν εμπροσθεν μου λακκον, ενεπεσαν εις αυτον. Διαψαλμα.
7Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
7[] Ετοιμη ειναι η καρδια μου, Θεε, ετοιμη ειναι η καρδια μου· θελω ψαλλει και ψαλμωδει.
8Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho]
8Εξεγερθητι, δοξα μου· εξεγερθητι, ψαλτηριον και κιθαρα· θελω εξεγερθη το πρωι.
9Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.
9Θελω σε επαινεσει, Κυριε, μεταξυ λαων· θελω ψαλμωδει εις σε μεταξυ εθνων.
10Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
10Διοτι εμεγαλυνθη εως των ουρανων το ελεος σου, και εως των νεφελων η αληθεια σου.
11Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
11Υψωθητι, Θεε, επι τους ουρανους· η δοξα σου ας ηναι εφ' ολην την γην.