1[Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
1És történt ezek után, hogy a Jezréelbeli Nábótnak egy szõlõje volt Jezréelben, Akhábnak, Samaria királyának a háza mellett.
2Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
2És szóla Akháb Nábótnak, mondván: Add nékem a te szõlõdet, hogy legyen veteményes kertem; mert közel van az én házamhoz, és néked érette jobb szõlõt adok annál, vagy ha néked tetszik, pénzül adom meg az árát.
3Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
3És felele Nábót Akhábnak: Isten õrizzen, hogy néked adjam az én atyáimtól maradt örökséget.
4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
4Akkor haza méne Akháb nagy bánattal és haraggal a beszéd miatt, a melyet szólott néki a Jezréelbeli Nábót, mondván: Nem adom néked az én atyáimtól maradt örökséget; és lefeküvék az õ ágyára, és arczát [a fal felé] fordítá, és nem evék kenyeret.
5Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
5Hozzá menvén az õ felesége Jézabel, monda néki: Miért háborodott meg a te szíved, és kenyeret nem eszel?
6Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
6És õ monda néki: Mert ama Jezréelbeli Nábóttal beszéltem, és azt mondám néki: Add nékem a te szõlõdet pénzért, vagy ha inkább tetszik, más szõlõt adok néked érette, õ [pedig] azt mondta: Nem adom néked az én szõlõmet.
7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
7Akkor monda néki Jézabel, az õ felesége: Te bírod-é most az Izráel királyságát? Kelj fel, egyél kenyeret, és a te szíved örvendezzen, én majd néked adom a Jezréelbeli Nábót szõlõjét.
8Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny fanombohan-kasen'andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i Nabota.
8És levelet írt Akháb nevével, a melyet megpecsételt az õ gyûrûjével, és elküldé azt a levelet a véneknek és a fõembereknek, a kik Nábóttal egy városban laktak;
9Ary izao no nosoratany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan'ny olona Nabota.
9És a levélben ezt írta, mondván: Hirdessetek bõjtöt, és ültessétek Nábótot a nép élére;
10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
10És ültessetek vele szembe két istentelen embert, a kik tanúbizonyságot tegyenek õ ellene, mondván: Megszidalmaztad az Istent és a királyt. Azután vigyétek ki, és kövezzétek meg õt, hogy meghaljon.
11Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
11És ekképen cselekedének a vének és a fõemberek, a kik az õ városában laktak, a mint Jézabel nékik megparancsolta, és a mint a levélben megírta, a melyet nékik küldött;
12Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.
12Bõjtöt hirdetének, és ülteték Nábótot a nép élére.
13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
13Elõjöve azután két istentelen ember, és leült vele szemben, és tanúbizonyságot tettek ez istentelen emberek Nábót ellen a nép elõtt, mondván: Megszidalmazta Nábót az Istent és a királyt. Kivivék azért õt a városból, és megkövezék, és meghala.
14Dia naniraka tany amin'i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
14Azután megizenék Jézabelnek, mondván: Megköveztetett Nábót, és meghalt.
15Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
15Mikor pedig meghallotta Jézabel, hogy megköveztetett Nábót és meghalt, monda Jézabel Akhábnak: Kelj fel és foglald el a Jezréelbeli Nábót szõlõjét, a melyet nem akart néked pénzért oda adni; mert nem él Nábót, hanem meghalt.
16Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
16És mikor meghallotta Akháb, hogy Nábót meghalt, felkelt Akháb, hogy lemenjen a Jezréelbeli Nábót szõlõjébe, és azt elfoglalja.
17Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
17Akkor szóla az Úr Thesbites Illésnek, mondván:
18Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
18Kelj fel, és menj Akhábnak, az Izráelbeli királynak eleibe, a ki Samariában lakik, ímé ott van a Nábót szõlõjében, a melybe lement, hogy azt elfoglalja;
19Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
19És szólj néki, ezt mondván: Így szól az Úr: Nemde megölted-é és nemde el is foglaltad-é? És szólj néki, mondván: Ezt mondja az Úr: Ugyanazon a helyen, a hol felnyalták az ebek Nábót vérét, ebek nyalják fel a te véredet is!
20Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.
20És monda Akháb Illésnek: [Megint] rám találtál ellenségem? És õ monda: Rád találtam; mert te magadat mindenestõl arra adtad, hogy gonoszságot cselekedjél az Úr szemei elõtt.
21Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.
21Ímé, [azt mondja az Úr:] Veszedelmet hozok reád, és elvesztem a te maradékaidat, és kigyomlálom Akhábnak még az ebét is, és a berekesztettet és az elhagyatottat Izráelben;
22Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
22És olyanná teszem a te házadat, mint Jeroboámnak, a Nébát fiának házát, és mint Baásának, az Ahija fiának házát azért, a miért haragra ingerlettél engem, és a miért bûnbe ejtetted az Izráelt.
23Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.
23És Jézabel felõl is szóla az Úr, mondván: Az ebek eszik meg Jézabelt Jezréel kõfala elõtt;
24Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.
24Azt, a ki Akháb házából a városban hal meg, az ebek eszik meg; azt pedig, a ki a mezõben hal meg, az égi madarak eszik meg.
25Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.
25[Mert] bizonyára nem volt Akhábnak mássa, a ki magát arra adta volna, hogy csak gonoszságot cselekedjék az Úr szemei elõtt, a melyre az õ felesége, Jézabel ösztökélé õt.
26Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
26Mert igen útálatos dolgot cselekedék, követvén a bálványokat mind a szerint, a mint cselekedének az Emoreusok, a kiket az Úr kiûzött volt az Izráel fiai elõtt.
27Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
27Lõn pedig, mikor meghallotta Akháb e beszédeket, megszaggatá az õ ruháit, és zsákba öltözék és bõjtöle, és a zsákban hála, és nagy alázatossággal jár vala.
28Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.
28És szóla az Úr Thesbites Illésnek, mondván:
29Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.
29Nem láttad-é, hogy Akháb hogyan megalázta magát elõttem? Mivelhogy pedig megalázta magát elõttem, nem hozom reá a veszedelmet az õ életében, [hanem] [csak] az õ fia idejében hozom el a veszedelmet az õ házára.