1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.
1És monda az Úr Sámuelnek: Ugyan meddig bánkódol még Saul miatt, holott én megvetettem õt, hogy ne uralkodjék Izráel felett? Töltsd meg a te szarudat olajjal, és eredj el; én elküldelek téged a Bethlehemben [lakó] Isaihoz, mert fiai közül választottam magamnak királyt.
2Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
2Sámuel pedig monda: Hogyan menjek el!? Ha meghallja Saul, megöl engemet. És monda az Úr: Vígy magaddal egy üszõt, és azt mondjad: Azért jöttem, hogy az Úrnak áldozzam.
3Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
3És hívd meg Isait az áldozatra, és én tudtodra adom, hogy mit cselekedjél, és kend fel számomra azt, a kit mondándok néked.
4Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
4És Sámuel megcselekedé, a mit az Úr mondott néki, és elment Bethlehembe. A város vénei pedig megijedének, [és] eleibe [menvén,] mondának: Békességes-é a te jöveteled?
5Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
5Õ pedig felele: Békességes; azért jöttem, hogy áldozzam az Úrnak. Szenteljétek meg azért magatokat, és jertek el velem az áldozatra. Isait és az õ fiait pedig megszentelé, és elhívá õket az áldozatra.
6Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
6Mikor pedig bemenének, meglátta Eliábot, és gondolá: Bizony az Úr elõtt van az õ felkentje!
7Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
7Az Úr azonban monda Sámuelnek: Ne nézd az õ külsõjét, se termetének nagyságát, mert megvetettem õt. Mert az [Úr] nem azt nézi, a mit az ember; mert az ember azt nézi, a mi szeme elõtt van, de az Úr azt nézi, mi a szívben van.
8Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
8Szólítá azért Isai Abinádábot, és elvezeté õt Sámuel elõtt; õ pedig monda: Ez sem az, kit az Úr választa.
9Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
9Elvezeté azután elõtte Isai Sammát; õ pedig monda: Ez sem az, a kit az Úr választa.
10Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
10És így elvezeté Isai Sámuel elõtt [mind] a hét fiát; Sámuel pedig mondá Isainak: Nem ezek közül választott az Úr.
11Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
11Akkor monda Sámuel Isainak: Mind itt vannak-é már az ifjak? Õ pedig felele: Hátra van még a kisebbik, és ímé õ a juhokat õrzi. És monda Sámuel Isainak: Küldj el, és hozasd ide õt, mert addig nem fogunk leülni, míg õ ide nem jön.
12Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]
12Elkülde azért, és elhozatá õt. (Õ pedig piros vala, szép szemû és kedves tekintetû.) És monda az Úr: Kelj fel és kend fel, mert õ az.
13Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
13Vevé azért Sámuel, az olajos szarut, és felkené õt testvérei között. És attól a naptól fogva az Úrnak lelke Dávidra szálla, és azután is. Felkele azután Sámuel és elméne Rámába.
14Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.
14És az Úrnak lelke eltávozék Saultól, és gonosz lélek kezdé gyötörni õt, [mely] az Úrtól [küldetett].
15Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
15És mondának Saul szolgái néki: Ímé most az Istentõl [küldött] gonosz lélek gyötör téged!
16Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
16Parancsoljon azért a mi urunk szolgáidnak, kik körülötted vannak, hogy keressenek [olyan] embert, a ki tudja a hárfát pengetni, és mikor az Istentõl [küldött] gonosz lélek reád jön, pengesse kezével, hogy te megkönnyebbülj.
17Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
17És monda Saul az õ szolgáinak: Keressetek tehát számomra [olyan ]embert, a ki jól tud hárfázni, és hozzátok el hozzám.
18Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
18Akkor felele egy a szolgák közül, és monda: Ímé én láttam a Bethlehemben [lakó] Isainak [egyik] fiát, a ki tud hárfázni, a ki erõs vitéz és hadakozó férfiú, értelmes és szép ember, és az Úr vele van.
19Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
19Követeket külde azért Saul Isaihoz, és monda: Küldd hozzám a fiadat, Dávidot, ki a juhok mellett van.
20Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
20Isai pedig võn egy szamarat, egy kenyeret, egy tömlõ bort és egy kecskegödölyét, és elküldé Saulnak az õ fiától, Dávidtól.
21Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
21Mikor pedig Dávid elméne Saulhoz és megálla elõtte, az igen megszerette õt, és fegyverhordozója lõn néki.
22Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
22És elkülde Saul Isaihoz, mondván: Maradjon Dávid én nálam, mert igen megkedveltem õt.
23Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
23És lõn, hogy a mikor Istennek lelke Saulon vala, vette Dávid a hárfát és kezével pengeté; Saul pedig megkönnyebbüle és jobban lõn, és a gonosz lélek eltávozék tõle.