1[Ny nanosorana an'i Jeho ho mpanjaka, sy ny namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia ary Jezebela] Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
1Elizeus próféta pedig szólíta egyet a próféták fiai közül, és monda néki: Övezd fel derekadat, és vedd kezedbe e korsócska olajat, és menj el Rámóth Gileádba.
2ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
2És menj be oda, és nézd meg, hol van Jéhu, Josafátnak, a Nimsi fiának fia. Mikor pedig oda érsz, költsd fel õt az õ atyjafiai közül, és vidd be a belsõ kamarába,
3ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
3És vedd elõ e korsócska olajat, és töltsd az õ fejére, ezt mondván: Azt mondja az Úr: Téged kentelek királylyá Izráelen! És az ajtót kinyitván, fuss el, és semmit ott ne idõzz.
4Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay zatovo mpaminany]
4És elment az ifjú, a próféta tanítványa, Rámóth Gileádba.
5Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
5És mikor bement, ímé a seregek fejedelmei ott ültek együtt, és õ monda: Beszédem volna veled, fejedelem! És monda Jéhu: Kivel [volna beszéded] ennyiõnk közül? És monda: Te veled, fejedelem!
6Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
6Felkele azért, és bement a házba, és fejére tölté az olajat, és monda néki: Azt mondja az Úr, Izráel Istene: Királylyá kentelek téged az Úrnak népén, az Izráelen,
7Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
7Hogy elveszítsed Akhábnak, a te uradnak háznépét; mert bosszút állok az én szolgáimnak, a prófétáknak véréért, és mind az Úr szolgáinak véréért Jézabelen.
8Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
8És kivész egészen az Akháb háza, és kigyomlálom mind az Akhábhoz tartozókat, még az ebet is, mind a berekesztettet, mind az elhagyottat Izráelben;
9Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
9És olyanná teszem az Akháb házát, mint Jeroboámnak, a Nébát fiának házát, és mint Baasának, az Ahija fiának házát.
10Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
10Jézabelt pedig az ebek eszik meg Jezréel mezején, és nem lesz, a ki eltemesse õt. És kinyitván az ajtót, elfutott.
11Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
11És mikor Jéhu kiment az õ urának szolgáihoz, mondának néki: Békességes-é a dolog? Miért jött e bolond hozzád? És felele nékik: Hiszen ismeritek ez embert és az õ beszédét!
12Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
12És mondának: Hazugság! Mondd meg [az igazat.] És monda: Így s így szóla nékem, mondván: Azt mondja az Úr: Királylyá kentelek téged Izráelen.
13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
13Akkor nagy sietséggel kiki mind vevé az õ ruháját, és alája terítették a grádics felsõ részére és megfuvaták a harsonákat, és kikiálták: Jéhu uralkodik!
14Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
14Így ütött pártot Jéhu, Josafátnak, a Nimsi fiának fia, Jórám ellen. Jórám pedig ott táborozott volt Rámóth Gileád alatt az egész Izráellel, Hazáel, Siria királya ellen.
15Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
15De visszatért volt Jórám király, hogy magát Jezréelben gyógyíttassa a sebekbõl, a melyeket a Siriabeliek ütöttek rajta, mikor Hazáel, Siria királya ellen harczolt. És monda Jéhu: Ha néktek [is úgy] tetszik, ne engedjetek senkit kimenni a városból, a ki elmenjen és hírül vigye ezt Jezréelbe.
16Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
16És befogatott Jéhu, és elment Jezréelbe, a hol Jórám feküdt, és a hova Akházia is, a Júda királya lement volt, hogy meglátogassa Jórámot.
17Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
17Mikor pedig az õrálló, a ki Jezréelben a tornyon állott, meglátta Jéhu seregét, hogy jõ, monda: Valami sereget látok. Akkor monda Jórám: Válaszsz egy lovast és küldj eléjök, és mondja ezt: Békességes-é a dolog?
18Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
18És oda lovagolt a lovas eléjük, és monda: Azt kérdi a király: Békességes-é a dolog? Felele Jéhu: Mi gondod van a békességgel? Kerülj a hátam mögé. Megjelenté pedig ezt az õrálló, mondván: Hozzájok ment ugyan a követ; de nem tért vissza.
19Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
19Akkor elküldött egy másik lovast, a ki hozzájok ment, és monda: Azt kérdi a király: Békességes-é a dolog? Felele Jéhu: Mi gondod van a békességgel? Kerülj a hátam mögé.
20Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
20Hírül adá [ezt] [is] az õrálló, mondván: Hozzájok ment ugyan; de nem jött vissza. De a hajtás olyan, mint Jéhunak, a Nimsi fiának hajtása; mert mint egy õrült, úgy hajt.
21Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
21Akkor monda Jórám: Fogjatok be! És befogván az õ szekerét, kiméne Jórám, az Izráel királya, és Akházia, a Júda királya, mindenik a maga szekerén, Jéhu eleibe, és a Jezréelbeli Nábót mezején találkoztak vele.
22Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
22És mikor meglátta Jórám Jéhut, monda: Békességes-é a dolog, Jéhu? Felele õ: Mit békesség?! Mikor Jézabelnek, a te anyádnak paráznasága és varázslása mindig nagyobb lesz!
23Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
23Akkor megfordítá Jórám az õ kezét és futni kezde, és monda Akháziának: Árulás ez, Akházia?
24Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
24Jéhu pedig meghúzván az ívét, Jórámot hátba lövé a lapoczkák között úgy, hogy a szívén ment át a nyíl, és lerogyott a szekérben.
25Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
25És monda Bidkárnak, az õ hadnagyának: Fogd meg és vesd a Jezréelbeli Nábót mezejére; mert emlékezz csak vissza, mikor mi, én és te, ketten az õ atyja, Akháb után lovagoltunk, és az Úr õ felõle ezt a fenyegetést mondotta:
26Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
26Bizonyára [megkeresem] a Nábót vérét és az õ fiainak vérét, a melyet tegnap láttam, azt mondja az Úr: Azért megfizetek néked ezen a szántóföldön, azt mondja az Úr: Most azért fogjad õt, és vesd a szántóföldre, az Úr beszéde szerint.
27Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
27Akházia pedig, a Júda királya, mikor látta ezt, futni kezde a kert házának útján; de Jéhu utána menvén, monda: Ezt is vágjátok le a szekérben [és megsebesíték õt] a Gúr hágójánál, a mely Jibleám mellett van; és õ Megiddóba menekülvén, ott meghalt.
28Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
28És az õ szolgái elvitték õt szekéren Jeruzsálembe, és eltemették az õ sirboltjába az õ atyáival a Dávid városában.
29Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
29Akházia pedig uralkodni kezdett Júdában Jórámnak, az Akháb fiának tizenegyedik esztendejében.
30Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.[Heb. antimony]
30És mikor Jéhu Jezréelbe ment és Jézabel ezt meghallotta, arczát megékesíté kenettel, felékesítette fejét, és kitámaszkodott az ablakon.
31Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
31És mikor Jéhu bevonult a kapun, monda: Békesség van-é, óh Zimri! uradnak gyilkosa?
32Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
32Õ pedig feltekintve az ablakra, monda: Ki van ott velem? Ki? És alátekintett két [vagy] három fõember.
33Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
33És monda azoknak: Vessétek alá õt. És aláveték, és az õ vére szétfrecskendezett a falra és a lovakra, és eltapodtatá õt.
34Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
34Bemenvén pedig oda, evett és ivott, és monda: Nézzetek utána annak az átkozottnak és temessétek el; hiszen [mégis] [csak] király leánya.
35Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
35De mikor kimentek, hogy eltemetnék õt, már semmit sem találtak belõle, csak a koponyáját, a lábait és a keze fejeit.
36Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
36És visszamenvén, megmondák néki, és õ monda: Ez az Úr beszéde, a melyet szólott az õ szolgája, Thesbites Illés által, mondván: Az ebek eszik meg Jézabel testét a Jezréel földén,
37Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
37És olyan lesz Jezréel földjén a Jézabel teste, mint a mezõn a ganéj, úgy, hogy senki meg nem mondhatja: Ez Jézabel!