Malagasy

Hungarian: Karolij

2 Samuel

16

1[] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.[Na: siny hoditra]
1Mikor pedig Dávid egy kevéssé alább ment a [hegy] tetejérõl, eleibe jöve Siba, a Mefibóset szolgája, két megnyergelt szamárral, melyeken kétszáz kenyér és száz kötés aszúszõlõ és száz csomó füge és egy tömlõ bor vala.
2Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra.
2És monda a király Sibának: Mit akarsz ezzel? Felele Siba: A szamarak a király háznépéé legyenek, hogy rajtok járjanak; a kenyér pedig és a füge, hogy a szolgák megegyék, és a bor, hogy igyék, a ki megfárad a pusztában.
3Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.
3És monda a király: Hol van most a te uradnak fia? Felele Siba a királynak: Ímé Jeruzsálemben marada, mert azt mondja: Visszaadja ma nékem Izráel háznépe az én atyámnak országát.
4Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
4És monda a király Sibának: Ímé minden tied legyen, valamije volt Mefibósetnek. Monda akkor Siba: Meghajtom magamat; vajha kegyelmet találnék elõtted, óh uram király!
5Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.
5Elméne azután Dávid király Bahurimig, és ímé onnan egy férfi jöve ki a Saul nemzetségébõl való, kinek neve Sémei vala, Gérának fia, és kijövén szidalmazza vala [õket.
6Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany.
6És kõvel hajigálá Dávidot és Dávid királynak minden szolgáit, jóllehet az egész nép és az erõs férfiak mindnyájan az õ jobb és balkeze felõl valának.
7Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
7És így szóla Sémei szitkozódása közben: Eredj, eredj te vér[szopó] és istentelen ember!
8Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
8Megfizet [most] az Úr néked Saul egész házanépének véréért, a ki helyett te uralkodol; és adta az Úr az országot a te fiadnak, Absolonnak: és ímé te nyomorúságban vagy, mert vérszopó ember vagy!
9Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
9Monda pedig Abisai, Sérujának fia, a királynak: Hogyan szidalmazhatja ez a holt eb az én uramat, a királyt? Majd én elmegyek és fejét veszem.
10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
10Monda pedig a király: Mi közöm van veletek, Sérujának fiai? Hadd szidalmazzon, mert az Úr mondotta néki: Szidalmazzad Dávidot; és ki mondhatja néki: Miért míveled ezt?
11Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
11És monda Dávid Abisainak és minden szolgáinak: Íme az én fiam, ki az én ágyékomból származott, kergeti az én életemet: hogyne [cselekedné] tehát e Benjáminita? Hagyjatok békét néki, hadd szidalmazzon; mert az Úr mondotta néki.
12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)]
12Netalán reá tekint az Úr az én nyomorúságomra, és jóval fizet még ma nékem az Úr az õ átka helyett.
13Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
13És megy vala Dávid és az õ népe az úton, Sémei pedig a hegyoldalon átellenében menvén, mentében átkozódik és köveket hajigál vala õ ellenébe, és port hány vala.
14Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy]
14Eljuta annakutána a király és az egész nép, mely vele vala, Ajefimbe, és ott megnyugovék.
15[Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
15Absolon pedig és az egész nép, Izráelnek férfiai, bemenének Jeruzsálembe, és Akhitófel is õ vele.
16Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
16Mikor pedig az Arkeából való Khúsai, a Dávid barátja bement Absolonhoz, monda Khúsai Absolonnak: Éljen a király, éljen a király!
17Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao?
17És monda Absolon Khúsainak: Ez-é a barátod iránti szereteted? Miért nem mentél el barátoddal?
18Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
18Felele Khúsai Absolonnak: Nem, hanem a kit az Úr és ez a nép választ, és az Izráelnek minden fiai: azé leszek és azzal maradok.
19Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
19Azután ugyan kinek szolgálnék [örömestebb,] mint az én [barátom] fiának? A mint szolgáltam a te atyádnak, szintén olyan leszek te hozzád [is].
20Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
20Monda pedig Absolon Akhitófelnek: Adjatok tanácsot, mit cselekedjünk?
21Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao.
21Felele Akhitófel Absolonnak: Menj be a te atyádnak ágyasaihoz, a kiket itthon hagyott, hogy õriznék a házat: és megérti az egész Izráel, hogy te atyád elõtt gyûlöltté tetted magadat, és annál inkább megerõsödnek mindazoknak kezeik, a kik melletted vannak.
22Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.
22Sátort vonának azért Absolonnak a tetõn, és beméne Absolon az õ atyjának ágyasaihoz, az egész Izráelnek szeme láttára.
23Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.
23És Akhitófel tanácsa, melyet adott, olyannak [tekintetett] abban az idõben, mintha valaki az Isten szavát kérdezte volna; olyan volt Akhitófelnek minden tanácsa mind Dávid elõtt, mind Absolon elõtt.