1[Hira fisaorana nataon'i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,
1Dávid pedig ezt az éneket mondotta az Úrnak azon a napon, mikor az Úr megszabadítá õt minden ellenségeinek kezébõl, és a Saul kezébõl.
2ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
2És monda: Az Úr az én kõsziklám és kõváram, és szabadítóm nékem.
3Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.
3Az Isten az én erõsségem, õ benne bízom én.
4Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
4Az Úrhoz kiáltok, a ki dícséretreméltó;
5Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5Mert halál hullámai vettek engem körül,
6Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
6A pokol kötelei vettek körül,
7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
7Szükségemben az Urat hívtam,
8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8Akkor rengett és remegett a föld,
9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
9Füst szállt fel orrából,
10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
10Lehajtá az eget és leszállt,
11Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.
11A Khérubon ment és röpült,
12Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
12Sötétségbõl maga körül sátrakat emelt,
13Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
13Az elõtte levõ fényességbõl
14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
14És dörgött az égbõl az Úr,
15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
15Ellövé nyilait és szétszórta azokat,
16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.
16És meglátszottak a tenger örvényei,
17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.
17Lenyúlt a magasságból és felvett engem,
18Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
18Hatalmas ellenségimtõl megszabadított engem;
19Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
19Reámtörtek nyomorúságom napján,
20Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20Tágas helyre vitt ki engem,
21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
21Az Úr megfizetett nékem igazságom szerint,
22Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
22Mert megõriztem az Úrnak utait,
23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
23Mert ítéletei mind elõttem vannak,
24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
24Tökéletes voltam elõtte, s õrizkedtem rosszaságomtól.
25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
25Ezért megfizet nékem az Úr igazságom szerint,
26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26Az irgalmashoz irgalmas vagy,
27Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.[Heb. miolakolaka]
27A tisztához tiszta vagy,
28Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
28Segítesz a nyomorult népen,
29Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
29Mert te vagy az én szövétnekem, Uram,
30Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
30Mert veled harczi seregen is átfutok,
31Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
31Az Istennek útja tökéletes;
32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32Mert kicsoda volna Isten az Úron kivül?
33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.
33Isten az én erõs kõváram,
34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.
34Lábait olyanná teszi, mint a szarvasé,
35Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35Kezeimet harczra tanítja,
36Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36Idvességednek paizsát adtad nékem,
37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37Lépéseimet kiszélesítetted alattam.
38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
38Üldözöm ellenségeimet és elpusztítom õket,
39Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
39Megsemmisítem, eltiprom õket, hogy fel nem kelhetnek,
40Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40Mert te erõvel öveztél fel engem a harczra,
41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
41Megadtad, hogy ellenségeim hátat fordítottak nékem,
42Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
42Felnéztek, de nem volt, ki megszabadítsa,
43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
43Szétmorzsolom õket, mint a föld porát,
44Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44Megmentettél népemnek pártoskodásaitól,
45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
45Idegen fiak hizelkednek nékem,
46Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.[Izahao Sal. xviii.46. Ny dikan'ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc]
46Idegen fiak elcsüggednek,
47Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
47Él az Úr és áldott az én kõsziklám.
48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
48Isten az, ki bosszút áll értem,
49Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
49Ki megment engem ellenségeimtõl,
50Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
50Dícsérlek azért téged, Uram, a pogányok között,
51Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
51Nagy segítséget ad az õ királyának,