Malagasy

Indonesian

1 Kings

12

1[Ny niodinan'ny firenena folo, sy ny niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
1Rehabeam pergi ke Sikhem, karena seluruh rakyat Israel bagian utara telah berkumpul di sana untuk melantik dia menjadi raja.
2Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
2Pada waktu itu Yerobeam anak Nebat masih ada di Mesir karena melarikan diri dari Raja Salomo. Ketika ia mendengar tentang Rehabeam, ia kembali ke Israel.
3ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
3Rakyat bagian utara mengundang Yerobeam, lalu mereka bersama dia pergi menghadap Rehabeam. Kata mereka,
4Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
4"Salomo ayah Baginda telah memberi beban yang berat kepada kami. Sekarang kalau Baginda meringankan beban dan mengurangi derita kami, kami akan mengabdi kepada Baginda."
5Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
5Rehabeam menyahut, "Aku harus berpikir dahulu. Datanglah kembali tiga hari lagi." Maka pulanglah orang-orang itu.
6Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
6Lalu Rehabeam meminta nasihat kepada orang-orang tua yang pernah menjadi penasihat Salomo, ayah Rehabeam. "Bagaimana aku harus menjawab orang-orang itu?" tanya Rehabeam, "Apa nasihat kalian?"
7Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
7Mereka menjawab, "Kalau Baginda sungguh-sungguh ingin mengabdi kepada rakyat, kabulkanlah permohonan mereka, maka mereka akan mengabdi kepada Baginda selama-lamanya."
8Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
8Tetapi nasihat orang-orang tua itu tidak dihiraukan oleh Rehabeam. Sebaliknya, ia pergi kepada orang-orang muda yang sebaya dengan dia dan yang sekarang membantu dia.
9ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
9Kepada mereka ia bertanya, "Apa nasihat kalian kepadaku untuk menjawab rakyat yang meminta supaya aku meringankan beban mereka?"
10Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
10Mereka menjawab, "Beginilah hendaknya Baginda katakan kepada mereka, 'Selemah-lemahnya aku, aku masih lebih kuat dari ayahku!'
11koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
11Ayahku memberikan beban yang berat kepadamu, tetapi aku akan memberikan yang lebih berat lagi. Ia menyebat kalian dengan cemeti, tetapi aku akan memecut kalian dengan cemeti berduri besi!"
12Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.
12Tiga hari kemudian Yerobeam dan semua orang itu kembali menghadap Raja Rehabeam, seperti yang telah diperintahkannya.
13Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy
13Berlawanan dengan nasihat orang-orang tua itu, rakyat yang datang kepadanya itu disapanya dengan kasar.
14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
14Sesuai dengan nasihat orang-orang muda, ia berkata, "Ayahku memberikan kepadamu beban yang berat, tetapi aku akan membuat beban itu lebih berat lagi. Ia menyebat kalian dengan cemeti, tetapi aku akan memecut kalian dengan cemeti berduri besi!"
15Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
15Permintaan rakyat tidak dihiraukannya. Tetapi itu memang kehendak TUHAN. Apa yang dikatakan TUHAN melalui Nabi Ahia dari Silo mengenai Yerobeam anak Nebat harus terjadi.
16Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
16Ketika rakyat melihat bahwa raja tidak mau mendengarkan mereka, mereka berteriak, "Perduli amat dengan Daud dan keturunannya! Mereka tidak pernah berbuat apa-apa untuk kita. Rakyat Israel, mari kita pulang! Biarkan Rehabeam itu mengurus dirinya sendiri!" Maka pulanglah rakyat Israel,
17Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .
17dan Rehabeam menjadi raja hanya atas wilayah Yehuda.
18Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
18Meskipun begitu Raja Rehabeam masih juga menyuruh Adoniram, seorang kepala pekerja rodi, menenangkan rakyat. Tetapi mereka melempari dia dengan batu sampai mati. Melihat hal itu Rehabeam cepat-cepat naik ke keretanya, lalu melarikan diri ke Yerusalem.
19Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
19Mulai saat itu rakyat di bagian utara kerajaan Israel selalu memberontak terhadap raja-raja keturunan Daud.
20Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
20Pada waktu seluruh rakyat Israel mendengar bahwa Yerobeam sudah kembali dari Mesir, mereka mengundang dia ke suatu pertemuan lalu mengangkat dia menjadi raja Israel. Hanya rakyat suku Yehuda saja yang tetap setia kepada keturunan Daud.
21Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
21Ketika Raja Rehabeam tiba di Yerusalem, ia mengumpulkan 180.000 prajuritnya yang terbaik dari suku Yehuda dan Benyamin untuk memerangi orang Israel dan memulihkan kekuasaannya atas suku-suku di bagian utara Israel.
22Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
22Tetapi Allah menyuruh Nabi Semaya
23Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:
23menyampaikan berita ini kepada Rehabeam, dan kepada seluruh suku Yehuda dan Benyamin,
24Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
24"Janganlah memerangi saudara-saudaramu orang Israel. Pulanglah! Apa yang telah terjadi adalah kehendak-Ku." Maka mereka semuanya menuruti perintah TUHAN, lalu pulang ke rumah masing-masing.
25[Ny nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy kely volamena tao Betela sy Dana] Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.
25Setelah menjadi raja Israel, Yerobeam memperkuat kota Sikhem di daerah pegunungan Efraim, lalu tinggal di sana untuk sementara waktu. Kemudian ia pergi lagi dari situ dan memperkuat kota Pnuel.
26Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;
26Ia berpikir begini dalam hatinya, "Jikalau rakyat tetap pergi ke Yerusalem untuk mempersembahkan kurban di Rumah TUHAN seperti yang mereka lakukan sekarang ini, mereka akan kembali mendukung Rehabeam, raja Yehuda, lalu membunuh aku."
27fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
27(12:26)
28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
28Sesudah mempertimbangkan hal itu, ia membuat dua patung sapi emas lalu berkata kepada rakyat, "Bangsa Israel! Sudah cukup lama kalian pergi ke Yerusalem untuk beribadat. Sekarang, inilah ilah-ilahmu yang telah membawa kalian keluar dari Mesir!"
29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
29Lalu Yerobeam menempatkan satu dari sapi emas itu di Betel dan yang lainnya di Dan.
30Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.
30Maka rakyat pun berbuat dosa, karena mereka pergi ke Betel dan ke Dan untuk beribadat.
31Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.
31Yerobeam juga mendirikan tempat-tempat ibadat lain di puncak-puncak gunung, dan ia mengangkat imam-imam dari antara keluarga-keluarga yang bukan suku Lewi.
32Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
32Kemudian Yerobeam menempatkan imam-imam itu di Betel untuk bertugas di sana dan ia sendiri mempersembahkan kurban kepada sapi-sapi emas yang dibuatnya itu. Lalu ia menentukan tanggal lima belas bulan delapan sebagai hari raya untuk Israel, sama seperti hari raya di Yehuda. Pada hari itu Yerobeam pergi ke Betel dan mempersembahkan kurban untuk merayakan hari raya yang telah ditentukannya itu.
33Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
33(12:32)