1Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
1Parole di Amos, uno dei pastori di Tekoa, rivelategli in visione, intorno ad Israele, ai giorni di Uzzia, re di Giuda, e ai giorni di Geroboamo, figliuolo di Joas, re d’Israele, due anni prima del terremoto.
2[Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
2Egli disse: L’Eterno rugge da Sion, e fa risonar la sua voce da Gerusalemme; i pascoli dei pastori fanno cordoglio, e la vetta del Carmelo è inaridita.
3Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
3Così parla l’Eterno: Per tre misfatti di Damasco, anzi per quattro, io non revocherò la mia sentenza. Perché hanno tritano Galaad con trebbie di ferro,
4Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
4io manderò nella casa di Hazael un fuoco, che divorerà i palazzi di Ben-hadad;
5Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
5e romperò le sbarre di Damasco, sterminerò da Bikath-aven ogni abitante e da Beth-eden colui che tiene lo scettro; e il popolo di Siria andrà in cattività a Kir, dice l’Eterno.
6Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
6Così parla l’Eterno: Per tre misfatti di Gaza, anzi per quattro, io non revocherò la mia sentenza. Perché hanno menato in cattività intere popolazioni per darle in mano ad Edom,
7Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
7io manderò dentro alle mura di Gaza un fuoco, che ne divorerà i palazzi;
8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
8e sterminerò da Asdod ogni abitante, e da Askalon colui che tiene lo scettro, volgerò la mia mano contro Ekron, e il resto dei Filistei perirà, dice il Signore, l’Eterno.
9Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
9Così parla l’Eterno: Per tre misfatti di Tiro, anzi per quattro, io non revocherò la mia sentenza. Perché han dato in mano ad Edom intere popolazioni, da loro menate in cattività, e non si sono ricordati del patto fraterno,
10Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
10io manderò dentro alle mura di Tiro un fuoco, che ne divorerà i palazzi.
11Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
11Così parla l’Eterno: Per tre misfatti d’Edom, anzi per quattro, io non revocherò la mia sentenza. Perché ha inseguito il suo fratello con la spada, soffocando ogni compassione, e perché la sua ira dilania sempre, ed egli serba la sua collera in perpetuo,
12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
12io manderò in Teman un fuoco, che divorerà i palazzi di Botsra.
13Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
13Così parla l’Eterno: Per tre misfatti dei figliuoli d’Ammon, anzi per quattro, io non revocherò la mia sentenza. Perché hanno sventrato le donne incinte di Galaad per allargare i loro confini,
14Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
14io accenderò dentro alle mure di Rabba un fuoco, che ne divorerà i palazzi in mezzo ai clamori d’un giorno di battaglia, in mezzo alla burrasca in un giorno di tempesta;
15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
15e il loro re andrà in cattività: egli, insieme coi suoi capi, dice l’Eterno.