Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Deuteronomy

1

1[Teny nataon'i Mosesy ho fampahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely sy ny nitondrany azy hatrany Horeba ka hatrany an-dafy atsinanan'i Jordana] IZAO no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
1Queste sono le parole che Mosè rivolse a Israele di là dal Giordano, nel deserto, nella pianura dirimpetto a Suf, fra Paran, Tofel, Laban, Hatseroth e Di-Zahab.
2(lalana Iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seira no aleha.)
2(Vi sono undici giornate dallo Horeb, per la via del monte Seir, fino a Kades-Barnea).
3Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy,
3Il quarantesimo anno, l’undecimo mese, il primo giorno del mese, Mosè parlò ai figliuoli d’Israele, secondo tutto quello che l’Eterno gli aveva ordinato di dir loro.
4rehefa namono an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
4Questo avvenne dopo ch’egli ebbe sconfitto Sihon, re degli Amorei che abitava in Heshbon, e Og, re di Basan che abitava in Astaroth e in Edrei.
5Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
5Di là dal Giordano, nel paese di Moab, Mosè cominciò a spiegare questa legge, dicendo:
6Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
6L’Eterno, l’Iddio nostro, ci parlò in Horeb e ci disse: "Voi avete dimorato abbastanza in queste montagne;
7mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
7voltatevi, partite e andate nella contrada montuosa degli Amorei e in tutte le vicinanze, nella pianura, sui monti, nella regione bassa, nel mezzogiorno, sulla costa del mare, nel paese dei Cananei ed al Libano, fino al gran fiume, il fiume Eufrate.
8Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
8Ecco, io v’ho posto il paese dinanzi; entrate, prendete possesso del paese che l’Eterno giurò di dare ai vostri padri, Abrahamo, Isacco e Giacobbe, e alla loro progenie dopo di loro".
9Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
9In quel tempo io vi parlai e vi dissi: "Io non posso da solo sostenere il carico del popolo.
10Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao.
10L’Eterno, ch’è il vostro Dio, vi ha moltiplicati, ed ecco che oggi siete numerosi come le stelle del cielo.
11(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
11L’Eterno, l’Iddio de’ vostri padri vi aumenti anche mille volte di più, e vi benedica come vi ha promesso di fare!
12Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
12Ma come posso io, da solo, portare il vostro carico, il vostro peso e le vostre liti?
13Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
13Prendete nelle vostre tribù degli uomini savi, intelligenti e conosciuti, e io ve li stabilirò come capi".
14Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
14E voi mi rispondeste, dicendo: "E’ bene che facciamo quel che tu proponi".
15Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
15Allora presi i capi delle vostre tribù, uomini savi e conosciuti, e li stabilii sopra voi come capi di migliaia, capi di centinaia, capi di cinquantine, capi di diecine, e come ufficiali nelle vostre tribù.
16Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
16E in quel tempo detti quest’ordine ai vostri giudici: "Ascoltate le cause de’ vostri fratelli, e giudicate con giustizia le questioni che uno può avere col fratello o con lo straniero che sta da lui.
17Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
17Nei vostri giudizi non avrete riguardi personali; darete ascolto al piccolo come al grande; non temerete alcun uomo, poiché il giudicio appartiene a Dio; e le cause troppo difficili per voi le recherete a me, e io le udirò".
18Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
18Così, in quel tempo, io vi ordinai tutte le cose che dovevate fare.
19Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
19Poi partimmo dallo Horeb e attraversammo tutto quel grande e spaventevole deserto che avete veduto, dirigendoci verso la contrada montuosa degli Amorei, come l’Eterno, l’Iddio nostro, ci aveva ordinato di fare, e giungemmo a Kades-Barnea.
20Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
20Allora vi dissi: Siete arrivati alla contrada montuosa degli Amorei, che l’Eterno, l’Iddio nostro, ci dà.
21indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
21Ecco, l’Eterno, il tuo Dio, t’ha posto il paese dinanzi; sali, prendine possesso, come l’Eterno, l’Iddio de’ tuoi padri, t’ha detto; non temere, e non ti spaventare".
22Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
22E voi vi accostaste a me tutti quanti, e diceste: "Mandiamo degli uomini davanti a noi, che ci esplorino il paese, e ci riferiscano qualcosa del cammino per il quale noi dovremo salire, e delle città alle quali dovremo arrivare".
23Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
23La cosa mi piacque, e presi dodici uomini tra voi, uno per tribù.
24ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
24Quelli s’incamminarono, salirono verso i monti, giunsero alla valle d’Eshcol, ed esplorarono il paese.
25dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
25Presero con le loro mani de’ frutti del paese, ce li portarono, e ci fecero la loro relazione dicendo: "Quello che l’Eterno, il nostro Dio, ci dà, è un buon paese".
26Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
26Ma voi non voleste salirvi, e vi ribellaste all’ordine dell’Eterno, del vostro Dio;
27Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
27mormoraste nelle vostre tende, e diceste: "L’Eterno ci odia, per questo ci ha fatti uscire dal paese d’Egitto per darci in mano agli Amorei e per distruggerci.
28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
28Dove saliam noi? I nostri fratelli ci han fatto struggere il cuore, dicendo: Quella gente è più grande e più alta di noi; le città vi sono grandi e fortificate fino al cielo; e abbiam perfino visto colà de’ figliuoli degli Anakim".
29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
29E io vi dissi: "Non vi sgomentate, e non abbiate paura di loro.
30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
30L’Eterno, l’Iddio vostro che va davanti a voi, combatterà egli stesso per voi, come ha fatto tante volte sotto gli occhi vostri, in Egitto,
31ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
31e nel deserto, dove hai veduto come l’Eterno, il tuo Dio, ti ha portato come un uomo porta il suo figliuolo, per tutto il cammino che avete fatto, finché siete arrivati a questo luogo".
32Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
32Nonostante questo non aveste fiducia nell’Eterno, nell’Iddio vostro,
33Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
33che andava innanzi a voi nel cammino per cercarvi un luogo da piantar le tende: di notte, nel fuoco per mostrarvi la via per la quale dovevate andare, e, di giorno, nella nuvola.
34Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
34E l’Eterno udì le vostre parole, si adirò gravemente, e giurò dicendo:
35Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
35"Certo, nessuno degli uomini di questa malvagia generazione vedrà il buon paese che ho giurato di dare ai vostri padri,
36afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
36salvo Caleb, figliuolo di Gefunne. Egli lo vedrà; e a lui e ai suoi figliuoli darò la terra che egli ha calcato, perché ha pienamente seguito l’Eterno".
37Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
37Anche contro a me l’Eterno si adirò per via di voi, e disse: "Neanche tu v’entrerai;
38fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.
38Giosuè, figliuolo di Nun, che ti serve, v’entrerà; fortificalo, perch’egli metterà Israele in possesso di questo paese.
39Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
39E i vostri fanciulli, de’ quali avete detto: Diventeranno tanta preda! e i vostri figliuoli, che oggi non conoscono né il bene né il male, sono quelli che v’entreranno; a loro lo darò, e saranno essi che lo possederanno.
40Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
40Ma voi, tornate indietro e avviatevi verso il deserto, in direzione del mar Rosso".
41Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
41Allora voi rispondeste, dicendomi: "Abbiam peccato contro l’Eterno; noi saliremo e combatteremo, interamente come l’Eterno, l’Iddio nostro, ci ha ordinato". E ognun di voi cinse le armi, e vi metteste temerariamente a salire verso i monti.
42Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
42E l’Eterno mi disse: "Di’ loro: Non salite, e non combattete, perché io non sono in mezzo a voi; voi sareste sconfitti davanti ai vostri nemici".
43Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
43Io ve lo dissi, ma voi non mi deste ascolto; anzi foste ribelli all’ordine dell’Eterno, foste presuntuosi, e vi metteste a salire verso i monti.
44Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
44Allora gli Amorei, che abitano quella contrada montuosa, uscirono contro a voi, v’inseguirono come fanno le api, e vi batterono in Seir fino a Horma.
45Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
45E voi tornaste e piangeste davanti all’Eterno; ma l’Eterno non dette ascolto alla vostra voce e non vi porse orecchio.
46Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
46Così rimaneste in Kades molti giorni; e ben sapete quanti giorni vi siete rimasti.