1[Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]
1Or gli uomini di Efraim si radunarono, passarono a Tsafon, e dissero a Jefte: "Perché sei andato a combattere contro i figliuoli di Ammon e non ci hai chiamati ad andar teco? Noi bruceremo la tua casa e te con essa".
2Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
2Jefte rispose loro: "Io e il mio popolo abbiamo avuto gran contesa coi figliuoli di Ammon; e quando v’ho chiamati in aiuto, non mi avete liberato dalle loro mani.
3Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
3E vedendo che voi non venivate in mio soccorso, ho posto a repentaglio la mia vita, ho marciato contro i figliuoli di Ammon, e l’Eterno me li ha dati nelle mani. Perché dunque siete saliti oggi contro di me per muovermi guerra?"
4Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.
4Poi Jefte, radunati tutti gli uomini di Galaad, diè battaglia ad Efraim; e gli uomini di Galaad sconfissero gli Efraimiti, perché questi dicevano: "Voi, Galaaditi, siete de’ fuggiaschi d’Efraim, in mezzo ad Efraim e in mezzo a Manasse!"
5Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
5E i Galaaditi intercettarono i guadi del Giordano agli Efraimiti; e quando uno de’ fuggiaschi d’Efraim diceva: "Lasciatemi passare", gli uomini di Galaad gli chiedevano: "Sei tu un Efraimita?" Se quello rispondeva: "No", i Galaaditi gli dicevano:
6dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.
6"Ebbene, di’ Scibboleth"; e quello diceva "Sibboleth", senza fare attenzione a pronunziar bene; allora lo pigliavano e lo scannavano presso i guadi del Giordano. E perirono in quel tempo quarantaduemila uomini d’Efraim.
7Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.
7Jefte fu giudice d’Israele per sei anni. Poi Jefte, il Galaadita, morì e fu sepolto in una delle città di Galaad.
8[Ny tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.
8Dopo di lui fu giudice d’Israele Ibtsan di Bethlehem,
9Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
9che ebbe trenta figliuoli, maritò fuori trenta figliuole, condusse di fuori trenta fanciulle per i suoi figliuoli. Fu giudice d’Israele per sette anni.
10Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
10Poi Ibtsan morì e fu sepolto a Bethlehem.
11Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
11Dopo di lui fu giudice d’Israele Elon, lo Zabulonita; fu giudice d’Israele per dieci anni.
12Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.
12Poi Elon, lo Zabulonita, morì e fu sepolto ad Aialon, nel paese di Zabulon.
13Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
13Dopo di lui fu giudice d’Israele Abdon, figliuolo di Hillel, il Pirathonita.
14Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.
14Ebbe quaranta figliuoli e trenta nipoti, i quali cavalcavano settanta asinelli. Fu giudice d’Israele per otto anni.
15Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.
15Poi Abdon, figliuolo di Hillel, il Pirathonita, morì e fu sepolto a Pirathon, nel paese di Efraim, sul monte Amalek.