1Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
1E quando furon vicini a Gerusalemme e furon giunti a Betfage, presso al monte degli Ulivi, Gesù mandò due discepoli,
2Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
2dicendo loro: Andate nella borgata che è dirimpetto a voi; e subito troverete un’asina legata, e un puledro con essa; scioglieteli e menatemeli.
3Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.
3E se alcuno vi dice qualcosa, direte che il Signore ne ha bisogno, e subito li manderà.
4Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
4Or questo avvenne affinché si adempisse la parola del profeta:
5Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9).[Gr. mitondra zioga]
5Dite alla figliuola di Sion: Ecco il tuo re viene a te, mansueto, e montato sopra un’asina, e un asinello, puledro d’asina.
6Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,
6E i discepoli andarono e fecero come Gesù avea loro ordinato;
7dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
7menarono l’asina e il puledro, vi misero sopra i loro mantelli, e Gesù vi si pose a sedere.
8Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
8E la maggior parte della folla stese i mantelli sulla via; e altri tagliavano de’ rami dagli alberi e li stendeano sulla via.
9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[Hosana = vonjeo re!]
9E le turbe che precedevano e quelle che seguivano, gridavano: Osanna al Figliuolo di Davide! Benedetto colui che viene nel nome del Signore! Osanna ne’ luoghi altissimi!
10Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
10Ed essendo egli entrato in Gerusalemme, tutta la città fu commossa e si diceva:
11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
11Chi è costui? E le turbe dicevano: Questi è Gesù, il profeta che è da Nazaret di Galilea.
12Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
12E Gesù entrò nel tempio e cacciò fuori tutti quelli che quivi vendevano e compravano; e rovesciò le tavole dei cambiamonete e le sedie de’ venditori di colombi.
13dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).
13E disse loro: Egli è scritto: La mia casa sarà chiamata casa d’orazione; ma voi ne fate una spelonca di ladroni.
14Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
14Allora vennero a lui, nel tempio, de’ ciechi e degli zoppi, ed egli li sanò.
15Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy
15Ma i capi sacerdoti e gli scribi, vedute le maraviglie che avea fatte, e i fanciulli che gridavano nel tempio: Osanna al figliuol di Davide, ne furono indignati, e gli dissero: Odi tu quel che dicono costoro?
16ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?
16E Gesù disse loro: Sì. Non avete mai letto: Dalla bocca de’ fanciulli e de’ lattanti hai tratto lode?
17Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
17E, lasciatili, se ne andò fuor della città a Betania, dove albergò.
18Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
18E la mattina, tornando in città, ebbe fame.
19Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[aviavimbazaha]
19E vedendo un fico sulla strada, gli si accostò, ma non vi trovò altro che delle foglie; e gli disse: Mai più in eterno non nasca frutto da te. E subito il fico si seccò.
20Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
20E i discepoli, veduto ciò, si maravigliarono, dicendo: Come s’è in un attimo seccato il fico?
21Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
21E Gesù, rispondendo, disse loro: Io vi dico in verità: Se aveste fede e non dubitaste, non soltanto fareste quel ch’è stato fatto al fico; ma se anche diceste a questo monte: Togliti di là e gettati nel mare, sarebbe fatto.
22Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
22E tutte le cose che domanderete nella preghiera, se avete fede, le otterrete.
23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
23E quando fu venuto nel tempio, i capi sacerdoti e gli anziani del popolo si accostarono a lui, mentr’egli insegnava, e gli dissero: Con quale autorità fai tu queste cose? E chi t’ha data codesta autorità?
24Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
24E Gesù, rispondendo, disse loro: Anch’io vi domanderò una cosa: e se voi mi rispondete, anch’io vi dirò con quale autorità faccio queste cose.
25Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[Na:nieritreritra]
25Il battesimo di Giovanni, d’onde veniva? dal cielo o dagli uomini? Ed essi ragionavan fra loro, dicendo: Se diciamo: Dal cielo, egli ci dirà: Perché dunque non gli credeste?
26Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.
26E se diciamo: Dagli uomini, temiamo la moltitudine, perché tutti tengono Giovanni per profeta.
27Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
27Risposero dunque a Gesù, dicendo: Non lo sappiamo. E anch’egli disse loro: E neppur io vi dirò con quale autorità io fo queste cose.
28Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.
28Or che vi par egli? Un uomo avea due figliuoli. Accostatosi al primo disse: Figliuolo, va’ oggi a lavorare nella vigna.
29Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
29Ed egli, rispondendo, disse: Vado, signore; ma non vi andò.
30Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
30E accostatosi al secondo, gli disse lo stesso. Ma egli, rispondendo, disse: Non voglio; ma poi, pentitosi, v’andò.
31Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
31Qual de’ due fece la volontà del padre? Essi gli dissero: L’ultimo. E Gesù a loro: Io vi dico in verità: I pubblicani e le meretrici vanno innanzi a voi nel regno di Dio.
32Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
32Poiché Giovanni è venuto a voi per la via della giustizia, e voi non gli avete creduto; ma i pubblicani e le meretrici gli hanno creduto; e voi, che avete veduto questo, neppur poi vi siete pentiti per credere a lui.
33Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
33Udite un’altra parabola: Vi era un padron di casa, il quale piantò una vigna e le fece attorno una siepe, e vi scavò un luogo da spremer l’uva, e vi edificò una torre; poi l’allogò a de’ lavoratori, e se n’andò in viaggio.
34Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.
34Or quando fu vicina la stagione de’ frutti, mandò i suoi servitori dai lavoratori per ricevere i frutti della vigna.
35Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
35Ma i lavoratori, presi i servitori, uno ne batterono, uno ne uccisero, e un altro ne lapidarono.
36Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
36Da capo mandò degli altri servitori, in maggior numero de’ primi; e coloro li trattarono nello stesso modo.
37Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
37Finalmente, mandò loro il suo figliuolo, dicendo: Avranno rispetto al mio figliuolo.
38Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
38Ma i lavoratori, veduto il figliuolo, dissero tra di loro: Costui è l’erede; venite, uccidiamolo, e facciam nostra la sua eredità.
39Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
39E presolo, lo cacciaron fuori della vigna, e l’uccisero.
40Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
40Quando dunque sarà venuto il padron della vigna, che farà egli a que’ lavoratori?
41Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.
41Essi gli risposero: Li farà perir malamente, cotesti scellerati, e allogherà la vigna ad altri lavoratori, i quali gliene renderanno il frutto a suo tempo.
42Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).
42Gesù disse loro: Non avete mai letto nelle Scritture: La pietra che gli edificatori hanno riprovata è quella ch’è divenuta pietra angolare; ciò è stato fatto dal Signore, ed è cosa maravigliosa agli occhi nostri?
43Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
43Perciò io vi dico che il Regno di Dio vi sarà tolto, e sarà dato ad una gente che ne faccia i frutti.
44Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.[Gr. haely toy ny vovoka]
44E chi cadrà su questa pietra sarà sfracellato; ed ella stritolerà colui sul quale cadrà.
45Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
45E i capi sacerdoti e i Farisei, udite le sue parabole, si avvidero che parlava di loro;
46Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
46e cercavano di pigliarlo, ma temettero le turbe, che lo teneano per profeta.