Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Nehemiah

13

1Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
1In quel tempo si lesse in presenza del popolo il libro di Mosè, e vi si trovò scritto che l’Ammonita e il Moabita non debbono mai in perpetuo entrare nella raunanza di Dio,
2satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
2perché non eran venuti incontro ai figliuoli d’Israele con del pane e dell’acqua, e perché aveano prezzolato a loro danno Balaam, per maledirli; ma il nostro Iddio convertì la maledizione in benedizione.
3Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
3E quando il popolo ebbe udita la legge, separò da Israele ogni elemento straniero.
4Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
4Or prima di questo, il sacerdote Eliascib, ch’era preposto alle camere della casa del nostro Dio ed era parente di Tobia,
5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
5avea messo a disposizione di quest’ultimo una camera grande là dove, prima d’allora, si riponevano le offerte, l’incenso, gli utensili, la decima del grano, del vino e dell’olio, tutto ciò che spettava per legge ai Leviti, ai cantori, ai portinai, e la parte che se ne prelevava per i sacerdoti.
6Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
6Ma quando si faceva tutto questo, io non ero a Gerusalemme; perché l’anno trentaduesimo di Artaserse, re di Babilonia, ero tornato presso il re; e in capo a qualche tempo avendo ottenuto un congedo dal re,
7ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
7tornai a Gerusalemme, e m’accorsi del male che Eliascib avea fatto per amor di Tobia, mettendo a sua disposizione una camera nei cortili della casa di Dio.
8Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
8La cosa mi dispiacque fortemente, e feci gettare fuori dalla camera tutte le masserizie appartenenti a Tobia;
9Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
9poi ordinai che si purificassero quelle camere, e vi feci ricollocare gli utensili della casa di Dio, le offerte e l’incenso.
10Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
10Seppi pure che le porzioni dovute ai Leviti non erano state date, e che i Leviti e i cantori, incaricati del servizio, se n’eran fuggiti, ciascuno alla sua terra.
11Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
11E io censurai i magistrati, e dissi loro: "Perché la casa di Dio è ella stata abbandonata?" Poi radunai i Leviti e i cantori e li ristabilii nei loro uffici.
12Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
12Allora tutto Giuda portò nei magazzini le decime del frumento, del vino e dell’olio;
13Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
13e affidai la sorveglianza dei magazzini al sacerdote Scelemia, allo scriba Tsadok, e a Pedaia uno dei Leviti; ai quali aggiunsi Hanan, figliuolo di Zaccur, figliuolo di Mattania, perché erano reputati uomini fedeli. Il loro ufficio era di fare le repartizioni tra i loro fratelli.
14Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
14Ricordati per questo di me, o Dio mio, e non cancellare le opere pie che ho fatte per la casa del mio Dio e per il suo servizio!
15Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
15In que’ giorni osservai in Giuda di quelli che calcavano l’uva negli strettoi in giorno di sabato, altri che portavano, caricandolo sugli asini, del grano ed anche del vino, dell’uva, dei fichi, e ogni sorta di cose, che facean venire a Gerusalemme in giorno di sabato; ed io li rimproverai a motivo del giorno in cui vendevano le loro derrate.
16Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
16C’erano anche dei Siri, stabiliti a Gerusalemme, che portavano del pesce e ogni sorta di cose, e le vendevano ai figliuoli di Giuda in giorni di sabato, e in Gerusalemme.
17Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
17Allora io censurai i notabili di Giuda, e dissi loro: "Che vuol dire questa mala azione che fate, profanando il giorno del sabato?
18Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
18I nostri padri non fecero essi così? e l’Iddio nostro fece, per questo, cader su noi e su questa città tutti questi mali. E voi accrescete l’ira ardente contro ad Israele, profanando il sabato!"
19Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.
19E non appena le porte di Gerusalemme cominciarono ad esser nell’ombra, prima del sabato, io ordinai che le porte fossero chiuse, e che non si riaprissero fino a dopo il sabato; e collocai alcuni de’ miei servi alle porte, affinché nessun carico entrasse in città durante il sabato.
20Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
20Così i mercanti e i venditori d’ogni sorta di cose una o due volte passarono la notte fuori di Gerusalemme.
21dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
21Allora io li rimproverai, e dissi loro: "Perché passate voi la notte davanti alle mura? Se lo rifate, vi farò arrestare". Da quel momento non vennero più il sabato.
22Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
22Io ordinai anche ai Leviti che si purificassero e venissero a custodire le porte per santificare il giorno del sabato. Anche per questo ricordati di me, o mio Dio, e abbi pietà di me secondo la grandezza della tua misericordia!
23Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
23In que’ giorni vidi pure dei Giudei che s’erano ammogliati con donne di Ashdod, di Ammon e di Moab;
24ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
24e la metà dei loro figliuoli parlava l’asdodeo, ma non sapeva parlare la lingua de’ Giudei; conosceva soltanto la lingua di questo o quest’altro popolo.
25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
25E io li censurai, li maledissi, ne picchiai alcuni, strappai loro i capelli, e li feci giurare nel nome di Dio che non darebbero le loro figliuole ai figliuoli di costoro, e non prenderebbero le figliuole di coloro per i loro figliuoli né per loro stessi.
26Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
26E dissi: "Salomone, re d’Israele, non peccò egli forse appunto in questo? E, certo, fra le molte nazioni, non ci fu re simile a lui; era amato dal suo Dio, e Dio l’avea fatto re di tutto Israele; nondimeno, le donne straniere fecero peccare anche lui.
27Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
27E s’avrà egli a dir di voi che commettete questo gran male, che siete infedeli al nostro Dio, prendendo mogli straniere?"
28Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
28Uno de’ figliuoli di Joiada, figliuolo di Eliascib, il sommo sacerdote, era genero di Samballat, lo Horonita; e io lo cacciai lungi da me.
29Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita.
29Ricordati di loro, o mio Dio, poiché hanno contaminato il sacerdozio e il patto fermato dal sacerdozio e dai Leviti!
30Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.
30Così purificai il popolo da ogni elemento straniero, e ristabilii i servizi vari de’ sacerdoti e de’ Leviti, assegnando a ciascuno il suo lavoro.
31ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.
31Ordinai pure il da farsi circa l’offerta delle legna ai tempi stabiliti, e circa le primizie. (H13-32) Ricordati di me, mio Dio, per farmi del bene!