Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Numbers

6

1[Ny lalàna ny amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1L’Eterno parlò ancora a Mosè, dicendo:
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
2"Parla ai figliuoli d’Israele e di’ loro: Quando un uomo o una donna avrà fatto un voto speciale, il voto di nazireato,
3dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
3per consacrarsi all’Eterno, si asterrà dal vino e dalle bevande alcooliche; non berrà aceto fatto di vino, né aceto fatto di bevanda alcoolica; non berrà liquori tratti dall’uva, e non mangerà uva, né fresca né secca.
4Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy.
4Tutto il tempo del suo nazireato non mangeria alcun prodotto della vigna, dagli acini alla buccia.
5Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.
5Tutto il tempo del suo voto di nazireato il rasoio non passerà sul suo capo; fino a che sian compiuti i giorni per i quali ei s’è consacrato all’Eterno, sarà santo; si lascerà crescer liberamente i capelli sul capo.
6Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
6Tutto il tempo ch’ei s’è consacrato all’Eterno, non si accosterà a corpo morto;
7aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.
7si trattasse anche di suo padre, di sua madre, del suo fratello e della sua sorella, non si contaminerà per loro alla loro morte, perché porta sul capo il segno della sua consacrazione a Dio.
8Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
8Tutto il tempo del suo nazireato egli è consacrato all’Eterno.
9Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy;
9E se uno gli muore accanto improvvisamente, e il suo capo consacrato rimane così contaminato, si raderà il capo il giorno della sua purificazione; se lo raderà il settimo giorno;
10ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
10l’ottavo giorno porterà due tortore o due giovani piccioni al sacerdote, all’ingresso della tenda di convegno.
11Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
11E il sacerdote ne offrirà uno come sacrifizio per il peccato e l’altro come olocausto, e farà per lui l’espiazione del peccato che ha commesso a cagion di quel morto; e, in quel giorno stesso, il nazireo consacrerà così il suo capo.
12Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
12Consacrerà di nuovo all’Eterno i giorni del suo nazireato, e offrirà un agnello dell’anno come sacrifizio di riparazione; i giorni precedenti non saranno contati, perché il suo nazireato è stato contaminato.
13Ary izao no lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
13Questa è la legge del nazireato: quando i giorni del suo nazireato saranno compiuti, lo si farà venire all’ingresso della tenda di convegno;
14ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
14ed egli presenterà la sua offerta all’Eterno: un agnello dell’anno, senza difetto, per l’olocausto; una pecora dell’anno, senza difetto, per il sacrifizio per il peccato, e un montone senza difetto, per il sacrifizio di azioni di grazie;
15ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
15un paniere di pani azzimi fatti con fior di farina, di focacce intrise con olio, di gallette senza lievito unte d’olio, insieme con l’oblazione e le libazioni relative.
16Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
16Il sacerdote presenterà quelle cose davanti all’Eterno, e offrirà il suo sacrifizio per il peccato e il suo olocausto;
17dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
17offrirà il montone come sacrifizio di azioni di grazie all’Eterno col paniere dei pani azzimi; il sacerdote offrirà pure l’oblazione e la libazione.
18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
18Il nazireo raderà, all’ingresso della tenda di convegno, il suo capo consacrato; prenderà i capelli del suo capo consacrato e li metterà sul fuoco che è sotto il sacrifizio di azioni di grazie.
19Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
19Il sacerdote prenderà la spalla del montone, quando sarà cotta, una focaccia non lievitata del paniere, una galletta senza lievito, e le porrà nelle mani del nazireo, dopo che questi avrà raso il suo capo consacrato.
20Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
20Il sacerdote le agiterà, come offerta agitata, davanti all’Eterno; è cosa santa che appartiene al sacerdote, assieme al petto dell’offerta agitata e alla spalla dell’offerta elevata. Dopo questo, il nazireo potrà bere del vino.
21Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
21Tale è la legge relativa a colui che ha fatto voto di nazireato, tale è la sua offerta all’Eterno per il suo nazireato, oltre quello che i suoi mezzi gli permetteranno di fare. Egli agirà secondo il voto che avrà fatto, conformemente alla legge del suo nazireato".
22[Ny tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22L’Eterno parlò ancora a Mosè, dicendo:
23Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:
23"Parla ad Aaronne e al suoi figliuoli, e di’ loro: Voi benedirete così i figliuoli d’Israele; direte loro:
24Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
24L’Eterno ti benedica e ti guardi!
25Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
25L’Eterno faccia risplendere il suo volto su te e ti sia propizio!
26Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
26L’Eterno volga verso te il suo volto, e ti dia la pace!
27Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
27Così metteranno il mio nome sui figliuoli d’Israele, e io li benedirò".