Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Proverbs

17

1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
1E’ meglio un tozzo di pan secco con la pace, che una casa piena di carni con la discordia.
2Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
2Il servo sagace dominerà sul figlio che fa onta, e avrà parte all’eredità insieme coi fratelli.
3Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
3La coppella è per l’argento e il fornello per l’oro, ma chi prova i cuori è l’Eterno.
4Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
4Il malvagio dà ascolto alle labbra inique, e il bugiardo dà retta alla cattiva lingua.
5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
5Chi beffa il povero oltraggia Colui che l’ha fatto; chi si rallegra dell’altrui sventura non rimarrà impunito.
6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
6I figliuoli de’ figliuoli son la corona de’ vecchi, e i padri son la gloria dei loro figliuoli.
7Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga.
7Un parlar solenne non s’addice all’uomo da nulla; quanto meno s’addicono ad un principe labbra bugiarde!
8Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
8Il regalo è una pietra preziosa agli occhi di chi lo possiede; dovunque si volga, egli riesce.
9Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
9Chi copre i falli si procura amore, ma chi sempre vi torna su, disunisce gli amici migliori.
10Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
10Un rimprovero fa più impressione all’uomo intelligente, che cento percosse allo stolto.
11Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
11Il malvagio non cerca che ribellione, ma un messaggero crudele gli sarà mandato contro.
12Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
12Meglio imbattersi in un’orsa derubata dei suoi piccini, che in un insensato nella sua follia.
13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
13Il male non si dipartirà dalla casa di chi rende il male per il bene.
14Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
14Cominciare una contesa è dar la stura all’acqua; perciò ritirati prima che la lite s’inasprisca.
15Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
15Chi assolve il reo e chi condanna il giusto sono ambedue in abominio all’Eterno.
16Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
16A che serve il danaro in mano allo stolto? ad acquistar saviezza?… Ma se non ha senno!
17Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.[Heb. ateraka]
17L’amico ama in ogni tempo; è nato per essere un fratello nella distretta.
18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
18L’uomo privo di senno dà la mano e fa sicurtà per altri davanti al suo prossimo.
19Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
19Chi ama le liti ama il peccato; chi alza troppo la sua porta, cerca la rovina.
20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
20Chi ha il cuor falso non trova bene, e chi ha la lingua perversa cade nella sciagura.
21Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
21Chi genera uno stolto ne avrà cordoglio, e il padre dell’uomo da nulla non avrà gioia.
22Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
22Un cuore allegro è un buon rimedio, ma uno spirito abbattuto secca l’ossa.
23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
23L’empio accetta regali di sottomano per pervertire le vie della giustizia.
24Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany.
24La sapienza sta dinanzi a chi ha intelligenza, ma gli occhi dello stolto vagano agli estremi confini della terra.
25Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
25Il figliuolo stolto è il cordoglio del padre e l’amarezza di colei che l’ha partorito.
26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.[Na: tsy amin'ny rariny]
26Non è bene condannare il giusto, foss’anche ad un’ammenda, né colpire i principi per la loro probità.
27Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
27Chi modera le sue parole possiede la scienza, e chi ha lo spirito calmo è un uomo prudente.
28Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
28Anche lo stolto, quando tace, passa per savio; chi tien chiuse le labbra è uomo intelligente.