1[Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
1Di Davide. A te, o Eterno, io levo l’anima mia.
2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.
2Dio mio, in te mi confido; fa’ ch’io non sia confuso, che i miei nemici non trionfino di me.
3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
3Nessuno di quelli che sperano in te sia confuso; sian confusi quelli che si conducono slealmente senza cagione.
4Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
4O Eterno, fammi conoscere le tue vie, insegnami i tuoi sentieri.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
5Guidami nella tua verità ed ammaestrami; poiché tu sei l’Iddio della mia salvezza: io spero in te del continuo.
6Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
6Ricordati, o Eterno, delle tue compassioni e delle tue benignità, perché sono ab eterno.
7Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
7Non ti ricordar de’ peccati della mia giovinezza, né delle mie trasgressioni; secondo la tua benignità ricordati di me per amor della tua bontà, o Eterno.
8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
8L’Eterno è buono e diritto; perciò insegnerà la via ai peccatori.
9Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
9Guiderà i mansueti nella giustizia, insegnerà ai mansueti la sua via.
10Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
10Tutti i sentieri dell’Eterno sono benignità e verità per quelli che osservano il suo patto e le sue testimonianze.
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
11Per amor del tuo nome, o Eterno, perdona la mia iniquità, perch’ella è grande.
12Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
12Chi è l’uomo che tema l’Eterno? Ei gl’insegnerà la via che deve scegliere.
13Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
13L’anima sua dimorerà nel benessere, e la sua progenie erederà la terra.
14Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
14Il segreto dell’Eterno è per quelli che lo temono, ed egli fa loro conoscere il suo patto.
15Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
15I miei occhi son del continuo verso l’Eterno, perch’egli è quel che trarrà i miei piedi dalla rete.
16Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
16Volgiti a me, ed abbi pietà di me, perch’io son solo ed afflitto.
17Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
17Le angosce del mio cuore si sono aumentate; traimi fuori dalle mie distrette.
18Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
18Vedi la mia afflizione ed il mio affanno, e perdonami tutti i miei peccati.
19Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
19Vedi i miei nemici, perché son molti, e m’odiano d’un odio violento.
20Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
20Guarda l’anima mia e salvami; fa’ ch’io non sia confuso, perché mi confido in te.
21Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
21L’integrità e la dirittura mi proteggano, perché spero in te.
22Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
22O Dio, libera Israele da tutte le sue tribolazioni.