Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Psalms

48

1[Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
1Canto. Salmo de’ figliuoli di Core. Grande è l’Eterno e lodato altamente nella città dell’Iddio nostro, sul monte della sua santità.
2Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
2Bello si erge, gioia di tutta la terra, il monte di Sion, dalle parti del settentrione, bella è la città del gran re.
3Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
3Nei palazzi d’essa Dio s’è fatto conoscere come un’alta fortezza.
4Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
4Poiché ecco, i re s’erano adunati, si avanzavano assieme.
5Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
5Appena la videro, rimasero attoniti, smarriti, si misero in fuga,
6Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
6un tremore li colse quivi, una doglia come di donna che partorisce.
7Amin'ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
7Col vento orientale tu spezzi le navi di Tarsis.
8Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
8Quel che avevamo udito l’abbiamo veduto nella città dell’Eterno degli eserciti, nella città del nostro Dio. Dio la renderà stabile in perpetuo. Sela.
9Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
9O Dio, noi abbiam meditato sulla tua benignità dentro al tuo tempio.
10Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
10O Dio, qual è il tuo nome, tale è la tua lode fino all’estremità della terra; la tua destra è piena di giustizia.
11Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
11Si rallegri il monte di Sion, festeggino le figliuole di Giuda per i tuoi giudizi!
12Manodidina an'i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
12Circuite Sion, giratele attorno, contatene le torri,
13Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka mandimby.Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
13osservatene i bastioni, considerate i suoi palazzi, onde possiate parlarne alla futura generazione.
14Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
14Poiché questo Dio è il nostro Dio in sempiterno; egli sarà la nostra guida fino alla morte.