Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Psalms

55

1[Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.
1Per il Capo de’ musici. Per strumenti a corda. Cantico di Davide. Porgi orecchio alla mia preghiera o Dio, e non rifiutar di udir la mia supplicazione.
2Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
2Attendi a me, e rispondimi; io non ho requie nel mio lamento, e gemo,
3Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
3per la voce del nemico, per l’oppressione dell’empio; poiché mi gettano addosso delle iniquità e mi perseguitano con furore.
4Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
4Il mio cuore spasima dentro di me e spaventi mortali mi son caduti addosso.
5Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
5Paura e tremito m’hanno assalito, e il terrore mi ha sopraffatto;
6Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
6onde ho detto: Oh avess’io delle ali come la colomba! Me ne volerei via, e troverei riposo.
7Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
7Ecco, me ne fuggirei lontano, andrei a dimorar nel deserto; Sela.
8Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
8m’affretterei a ripararmi dal vento impetuoso e dalla tempesta.
9Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
9Annienta, Signore, dividi le loro lingue, poiché io vedo violenza e rissa nella città.
10Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
10Giorno e notte essi fanno la ronda sulle sue mura; dentro di essa sono iniquità e vessazioni.
11Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
11Malvagità è in mezzo a lei, violenza e frode non si dipartono dalle sue piazze.
12Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
12Poiché non è stato un nemico che mi ha fatto vituperio; altrimenti, l’avrei comportato; non è stato uno che m’odiasse a levarmisi contro; altrimenti, mi sarei nascosto da lui;
13Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
13ma sei stato tu, l’uomo ch’io stimavo come mio pari, il mio compagno e il mio intimo amico.
14Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
14Insieme avevamo dolci colloqui, insieme ce n’andavamo tra la folla alla casa di Dio.
15Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. [Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][Heb: Sheola][Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]
15Li sorprenda la morte! Scendano vivi nel soggiorno de’ morti! poiché nelle lor dimore e dentro di loro non v’è che malvagità.
16Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
16Quanto a me: io griderò, a Dio e l’Eterno mi salverà.
17Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
17La sera, la mattina e sul mezzodì mi lamenterò e gemerò, ed egli udrà la mia voce.
18Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.
18Egli darà pace all’anima mia, riscuotendola dall’assalto che m’è dato, perché sono in molti contro di me.
19Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
19Iddio udirà e li umilierà, egli che siede sul trono ab antico; Sela. poiché in essi non v’è mutamento, e non temono Iddio.
20Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
20Il nemico ha steso la mano contro quelli ch’erano in pace con lui, ha violato il patto concluso.
21Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
21La sua bocca è più dolce del burro, ma nel cuore ha la guerra; le sue parole son più morbide dell’olio, ma sono spade sguainate.
22Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
22Getta sull’Eterno il tuo peso, ed egli ti sosterrà; egli non permetterà mai che il giusto sia smosso.
23Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
23Ma tu, o Dio, farai cader costoro nel profondo della fossa; gli uomini di sangue e di frode non arriveranno alla metà de’ lor giorni; ma io confiderò in te.