Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Psalms

68

1[Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
1Al Capo de’ musici. Di Davide. Salmo. Canto. Lèvisi Iddio, e i suoi nemici saranno dispersi, e quelli che l’odiano fuggiranno dinanzi a lui.
2Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
2Tu li dissiperai come si dissipa il fumo; come la cera si strugge dinanzi al fuoco, così periranno gli empi dinanzi a Dio.
3Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
3Ma i giusti si rallegreranno, esulteranno nel cospetto di Dio, e gioiranno con letizia.
4Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
4Cantate a Dio, salmeggiate al suo nome, preparate la via a colui che cavalca attraverso i deserti; il suo nome è: l’Eterno, ed esultate dinanzi a lui.
5Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
5Padre degli orfani e difensore delle vedove è Iddio nella dimora della sua santità;
6Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
6Iddio dona al solitario una famiglia, trae fuori i prigionieri e dà loro prosperità; solo i ribelli dimorano in terra arida.
7Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
7O Dio, quando tu uscisti davanti al tuo popolo, quando ti avanzasti attraverso il deserto, Sela.
8Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
8la terra tremò; anche i cieli si strussero in pioggia per la presenza di Dio; lo stesso Sinai tremò alla presenza di Dio, dell’Iddio d’Israele.
9Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
9O Dio, tu spandesti una pioggia di benefizi sulla tua eredità; quand’essa era sfinita, tu la ristorasti.
10Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
10La tua greggia prese dimora nel paese, che tu avevi, o Dio, preparato nella tua bontà pei miseri.
11Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
11Il Signore dà un ordine: le messaggere di buone novelle sono una grande schiera.
12Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
12I re degli eserciti fuggono, fuggono, e la rimasta a casa divide le spoglie.
13Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
13Quando vi siete riposati tra gli ovili, le ali della colomba si son coperte d’argento, e le sue penne hanno preso il giallo dell’oro.
14Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
14Quando l’Onnipotente disperse i re nel paese, lo Tsalmon si coperse di neve.
15Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
15O monte di Dio, o monte di Basan, o monte dalle molte cime, o monte di Basan,
16Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
16perché, o monti dalle molte cime, guardate con invidia al monte che Dio s’è scelto per sua dimora? Sì, l’Eterno vi abiterà in perpetuo.
17Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
17I carri di Dio si contano a miriadi e miriadi, a migliaia di migliaia; il Signore viene dal Sinai nel santuario.
18Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
18Tu sei salito in alto, hai menato in cattività dei prigioni, hai preso doni dagli uomini, anche dai ribelli, per far quivi la tua dimora, o Eterno Iddio.
19Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
19Sia benedetto il Signore! Giorno per giorno porta per noi il nostro peso; egli ch’è l’Iddio della nostra salvezza. Sela.
20Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
20Iddio è per noi l’Iddio delle liberazioni; e all’Eterno, al Signore, appartiene il preservar dalla morte.
21Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
21Ma Dio schiaccerà il capo de’ suoi nemici, la testa chiomata di colui che cammina nelle sue colpe.
22Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
22Il Signore ha detto: Io ti ritrarrò da Basan, ti ritrarrò dalle profondità del mare,
23Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
23affinché tu affondi il tuo piè nel sangue, e la lingua de’ tuoi cani abbia la sua parte de’ tuoi nemici.
24Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
24Essi han veduto la tua entrata, o Dio, l’entrata del mio Dio, del mio Re, nel santuario.
25Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
25Precedevano i cantori, dietro venivano i sonatori, in mezzo alle fanciulle, che battevano i tamburi.
26Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
26Benedite Iddio nelle raunanze, benedite il Signore, voi che siete della fonte d’Israele!
27Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
27Ecco il piccolo Beniamino, che domina gli altri; i principi di Giuda e la loro schiera, i principi di Zabulon, i principi di Neftali.
28Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
28Il tuo Dio ha ordinato la tua forza; rafferma, o Dio, ciò che hai operato per noi!
29Noho ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']
29Nel tuo tempio, ch’è sopra Gerusalemme, i re ti recheranno doni.
30Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
30Minaccia la bestia de’ canneti, la moltitudine de’ tori coi giovenchi de’ popoli, che si prostrano recando verghe d’argento. Dissipa i popoli che si dilettano in guerre.
31Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
31Gran signori verranno dall’Egitto, l’Etiopia s’affretterà a tender le mani verso Dio.
32Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
32O regni della terra, cantate a Dio, salmeggiate al Signore, Sela.
33Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
33a colui che cavalca sui cieli dei cieli eterni! Ecco, egli fa risonar la sua voce, la sua voce potente.
34Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
34Riconoscete la potenza di Dio; la sua maestà è sopra Israele, e la sua potenza è ne’ cieli.
35Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
35O Dio, tu sei tremendo dai tuoi santuari! L’Iddio d’Israele è quel che dà forza e potenza al suo popolo. Benedetto sia Iddio!