1[Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
1Per il Capo de’ musici. "Non distruggere". Salmo di Asaf. Canto. Noi ti celebriamo, o Dio, ti celebriamo; quelli che invocano il tuo nome narrano le tue maraviglie.
2Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
2Quando verrà il tempo che avrò fissato, io giudicherò dirittamente.
3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
3Si dissolva la terra con tutti i suoi abitanti, io ne rendo stabili le colonne. Sela.
4Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
4Io dico agli orgogliosi: Non vi gloriate! e agli empi: non alzate il corno!
5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
5Non levate il vostro corno in alto, non parlate col collo duro!
6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
6Poiché non è dal levante né dal ponente, né dal mezzogiorno che vien l’elevazione;
7Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
7ma Dio è quel che giudica; egli abbassa l’uno ed innalza l’altro.
8Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
8L’Eterno ha in mano una coppa, ove spumeggia un vino pien di mistura. Egli ne mesce; certo, tutti gli empi della terra ne succeranno e berranno le fecce.
9Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
9Ma io proclamerò del continuo queste cose, salmeggerò all’Iddio di Giacobbe;
10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
10spezzerò tutta la potenza degli empi, ma la potenza de’ giusti sarà accresciuta.