Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Psalms

83

1[Fitarainana noho ny nikambanan'ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
1Canto. Salmo di Asaf. O Dio, non startene cheto; non rimaner muto ed inerte, o Dio!
2Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
2Poiché, ecco, i tuoi nemici si agitano rumorosamente, e quelli che t’odiano alzano il capo.
3Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
3Tramano astuti disegni contro il tuo popolo, e si concertano contro quelli che tu nascondi presso di te.
4Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
4Dicono: Venite, distruggiamoli come nazione, e il nome d’Israele non sia più ricordato.
5Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
5Poiché si son concertati con uno stesso sentimento, fanno un patto contro di te:
6Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
6le tende di Edom e gl’Ismaeliti; Moab e gli Hagareni;
7Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
7Ghebal, Ammon ed Amalek; la Filistia con gli abitanti di Tiro;
8Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
8anche l’Assiria s’è aggiunta a loro; prestano il loro braccio ai figliuoli di Lot. Sela.
9Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
9Fa’ a loro come facesti a Midian, a Sisera, a Jabin presso al torrente di Chison,
10Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
10i quali furon distrutti a Endor, e serviron di letame alla terra.
11Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
11Rendi i loro capi simili ad Oreb e Zeeb, e tutti i loro principi simili a Zeba e Tsalmunna;
12Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
12poiché dicono: Impossessiamoci delle dimore di Dio.
13Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
13Dio mio, rendili simili al turbine, simili a stoppia dinanzi al vento.
14Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
14Come il fuoco brucia la foresta, e come la fiamma incendia i monti,
15Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
15così perseguitali con la tua tempesta, e spaventali col tuo uragano.
16Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
16Cuopri la loro faccia di vituperio, onde cerchino il tuo nome, o Eterno!
17Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
17Siano svergognati e costernati in perpetuo, siano confusi e periscano!
18Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
18E conoscano che tu, il cui nome e l’Eterno, sei il solo Altissimo sopra tutta la terra.