1Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
1Io sono la rosa di Saron, il giglio delle valli.
2Toy ny lilia eo amin'ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
2Quale un giglio tra le spine, tale è l’amica mia tra le fanciulle.
3Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
3Qual è un melo fra gli alberi del bosco, tal è l’amico mio fra i giovani. Io desidero sedermi alla sua ombra, e il suo frutto è dolce al mio palato.
4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
4Egli m’ha condotta nella casa del convito, e l’insegna che spiega su di me è Amore.
5Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.
5Fortificatemi con delle schiacciate d’uva, sostentatemi con de’ pomi, perch’io son malata d’amore.
6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
6La sua sinistra sia sotto al mio capo, e la sua destra m’abbracci!
7Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
7O figliuole di Gerusalemme, io vi scongiuro per le gazzelle, per le cerve dei campi, non svegliate, non svegliate l’amor mio, finch’essa non lo desideri!
8[Tenin'ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.
8Ecco la voce del mio amico! Eccolo che viene, saltando per i monti, balzando per i colli.
9Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.[Anaram-biby haingan-tongotra][Heb. ivelan'ny rindrinay]
9L’amico mio è simile a una gazzella o ad un cerbiatto. Eccolo, egli sta dietro al nostro muro, e guarda per la finestra, lancia occhiate attraverso alle persiane.
10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
10Il mio amico parla e mi dice: Lèvati, amica mia, mia bella, e vientene,
11Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
11poiché, ecco, l’inverno è passato, il tempo delle piogge è finito, se n’è andato;
12Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.
12i fiori appaion sulla terra, il tempo del cantare è giunto, e la voce della tortora si fa udire nelle nostre contrade.
13Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
13Il fico ha messo i suoi ficucci, e le viti fiorite esalano il loro profumo. Lèvati, amica mia, mia bella, e vientene".
14E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
14O mia colomba, che stai nelle fessure delle rocce, nel nascondiglio delle balze, mostrami il tuo viso, fammi udire la tua voce; poiché la tua voce è soave, e il tuo viso è bello.
15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
15Pigliateci le volpi, le volpicine che guastano le vigne, poiché le nostre vigne sono in fiore!
16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]
16Il mio amico è mio, ed io son sua: di lui, che pastura il gregge fra i gigli.
17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]
17Prima che spiri l’aura del giorno e che le ombre fuggano, torna, amico mio, come la gazzella od il cerbiatto sui monti che ci separano!