1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
1ヤコブよ、あなたを創造された主はこう言われる。イスラエルよ、あなたを造られた主はいまこう言われる、「恐れるな、わたしはあなたをあがなった。わたしはあなたの名を呼んだ、あなたはわたしのものだ。
2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
2あなたが水の中を過ぎるとき、わたしはあなたと共におる。川の中を過ぎるとき、水はあなたの上にあふれることがない。あなたが火の中を行くとき、焼かれることもなく、炎もあなたに燃えつくことがない。
3Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
3わたしはあなたの神、主である、イスラエルの聖者、あなたの救主である。わたしはエジプトを与えてあなたのあがないしろとし、エチオピヤとセバとをあなたの代りとする。
4Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
4あなたはわが目に尊く、重んぜられるもの、わたしはあなたを愛するがゆえに、あなたの代りに人を与え、あなたの命の代りに民を与える。
5Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
5恐れるな、わたしはあなたと共におる。わたしは、あなたの子孫を東からこさせ、西からあなたを集める。
6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
6わたしは北にむかって『ゆるせ』と言い、南にむかって『留めるな』と言う。わが子らを遠くからこさせ、わが娘らを地の果からこさせよ。
7Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
7すべてわが名をもってとなえられる者をこさせよ。わたしは彼らをわが栄光のために創造し、これを造り、これを仕立てた」。
8Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
8目があっても目しいのような民、耳があっても耳しいのような民を連れ出せ。
9Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [Na: Miangona][Na: mivory]
9国々はみな相つどい、もろもろの民は集まれ。彼らのうち、だれがこの事を告げ、さきの事どもを、われわれに聞かせることができるか。その証人を出して、おのれの正しい事を証明させ、それを聞いて「これは真実だ」と言わせよ。
10Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
10主は言われる、「あなたがたはわが証人、わたしが選んだわがしもべである。それゆえ、あなたがたは知って、わたしを信じ、わたしが主であることを悟ることができる。わたしより前に造られた神はなく、わたしより後にもない。
11Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
11ただわたしのみ主である。わたしのほかに救う者はいない。
12Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
12わたしはさきに告げ、かつ救い、かつ聞かせた。あなたがたのうちには、ほかの神はなかった。あなたがたはわが証人である」と主は言われる。
13Eny, hatramin'izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]
13「わたしは神である、今より後もわたしは主である。わが手から救い出しうる者はない。わたしがおこなえば、だれが、これをとどめることができよう」。
14[Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]
14あなたがたをあがなう者、イスラエルの聖者、主はこう言われる、「あなたがたのために、わたしは人をバビロンにつかわし、すべての貫の木をこわし、カルデヤびとの喜びの声を嘆きに変らせる。
15Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
15わたしは主、あなたがたの聖者、イスラエルの創造者、あなたがたの王である」。
16Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
16海のなかに大路を設け、大いなる水の中に道をつくり、
17Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
17戦車および馬、軍勢および兵士を出てこさせ、これを倒して起きることができないようにし、絶え滅ぼして、灯心の消えうせるようにされる主はこう言われる、
18Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
18「あなたがたは、さきの事を思い出してはならない、また、いにしえのことを考えてはならない。
19Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
19見よ、わたしは新しい事をなす。やがてそれは起る、あなたがたはそれを知らないのか。わたしは荒野に道を設け、さばくに川を流れさせる。
20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]
20野の獣はわたしをあがめ、山犬および、だちょうもわたしをあがめる。わたしが荒野に水をいだし、さばくに川を流れさせて、わたしの選んだ民に飲ませるからだ。
21Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
21この民は、わが誉を述べさせるためにわたしが自分のために造ったものである。
22Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]
22ところがヤコブよ、あなたはわたしを呼ばなかった。イスラエルよ、あなたはわたしをうとんじた。
23Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]
23あなたは燔祭の羊をわたしに持ってこなかった。また犠牲をもってわたしをあがめなかった。わたしは供え物の重荷をあなたに負わせなかった。また乳香をもってあなたを煩わさなかった。
24Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
24あなたは金を出して、わたしのために菖蒲を買わず、犠牲の脂肪を供えて、わたしを飽かせず、かえって、あなたの罪の重荷をわたしに負わせ、あなたの不義をもって、わたしを煩わせた。
25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
25わたしこそ、わたし自身のためにあなたのとがを消す者である。わたしは、あなたの罪を心にとめない。
26Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
26あなたは、自分の正しいことを証明するために自分のことを述べて、わたしに思い出させよ。われわれは共に論じよう。
27Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
27あなたの遠い先祖は罪を犯し、あなたの仲保者らはわたしにそむいた。それゆえ、わたしは聖所の君たちを汚し、ヤコブを全き滅びにわたし、イスラエルをののしらしめた。
28Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
28それゆえ、わたしは聖所の君たちを汚し、ヤコブを全き滅びにわたし、イスラエルをののしらしめた。