1[Ny nasain'Andriamanitra nataon'i Jeremia ny amin'ny loza hampijaliana ny Joda] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
1主の言葉はまたわたしに臨んだ、
2Aza manam-bady ianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity.
2「あなたはこの所で妻をめとってはならない。またむすこ娘を持ってはならない。
3Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin'ity tany ity sy ny amin'ny reniny izay niteraka azy ary ny amin'ny rainy izay niteraka azy amin'ity tany ity koa:
3この所で生れるむすこ娘と、この地でこれを産む母たちと、これを生む父たちとについて主はこう言われる、
4Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
4彼らは死の病にかかって死に、哀悼する者もなく、埋葬する者もなく、地のおもてに、糞土のようになる。またつるぎと、ききんに滅ぼされて、その死体は空の鳥と地の獣の食い物となる。
5Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
5主はこう言われる、喪のある家に、はいってはならない。また行って、それを悲しみ嘆いてはならない。わたしがこの民からわたしの平安と、いつくしみと、あわれみとを取り去ったからであると、主は言われる。
6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;
6大いなる者も小さき者も、この地に死ぬ。彼らは葬られず、また彼らのために悲しむ者もなく、自分の身を傷つける者もなく、髪をそる者もない。
7Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;
7悲しむ者のためにパンをさいて、死者のためにこれを慰める者はなく、また父あるいは母のために慰めの杯をこれに与えて飲ませる者もない。
8Ary aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
8またあなたは宴会をする家にはいって、人々と共にすわって食い飲みしてはならない。
9Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.
9万軍の主、イスラエルの神はこう言われる、見よ、あなたの目の前で、あなたのなおこの世にいる間に、わたしは喜びの声と楽しみの声、花婿の声と花嫁の声とをこの所に絶やしてしまう。
10Ary raha ambaranao amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray?
10あなたがこのすべての言葉をこの民に告げるとき、彼らがあなたに尋ねて、『主がわれわれにこの大きな災を宣告されるのはどうしてですか。われわれにどんな悪い所があるのですか。われわれの神、主にそむいて、われわれが犯した罪とはなんですか』と言うならば、
11dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.
11あなたは彼らに答えなければならない、『主は仰せられる、それはあなたがたの先祖がわたしを捨てて他の神々に従い、これに仕え、これを拝し、またわたしを捨て、わたしの律法を守らなかったからである。
12Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
12あなたがたは、あなたがたの先祖よりも、いっそう悪いことをした。見よ、あなたがたはおのおの自分の悪い強情な心に従い、わたしに聞き従うことはしない。
13Ka dia horoahiko hiala amin'ity tany ity ianareo ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, satria tsy hamindra fo aminareo Aho.
13それゆえ、わたしはあなたがたをこの地より追い出し、あなたがたも、あなたがたの先祖も知らない地に行かせる。その所であなたがたは昼夜、ほかの神々に仕えるようになる。これはわたしがあなたがたにあわれみを示さないからである』と。
14Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
14主は言われる、それゆえ、見よ、こののち『イスラエルの民をエジプトの地から導き出した主は生きておられる』とは言わないで、
15Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.
15『イスラエルの民を北の国と、そのすべて追いやられた国々から導き出した主は生きておられる』という日がくる。わたしが彼らを、その先祖に与えた彼らの地に導きかえすからである。
16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
16主は言われる、見よ、わたしは多くの漁夫を呼んできて、彼らをすなどらせ、また、そののち多くの猟師を呼んできて、もろもろの山、もろもろの丘、および岩の裂け目から彼らをかり出させる。
17Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona amin'ny masoko ny helony.
17わたしの目は彼らのすべての道を見ているからである。みなわたしに隠れてはいない。またその悪はわたしの目に隠れることはない。
18Alohan'izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin'ireo fatin'ny sampiny sy fahavetavetany ireo.[Heb. fahavetavetany]
18わたしはその悪とその罪の報いを二倍にする。彼らがその忌むべき偶像の死体をもって、わたしの地を汚し、その憎むべきものをもって、わたしの嗣業を満たしたからである」。
19Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
19主、わが力、わが城、悩みの時の、のがれ場よ、万国の民は地の果からあなたのもとにきて申します、「われわれの先祖が受け嗣いだのは、ただ偽りと、役に立たないつまらない事ばかりです。
20Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.
20人が自分で神々を造ることができましょうか。そういうものは神ではありません」。「それゆえ、見よ、わたしは彼らに知らせよう。すなわち、この際わたしの力と、わたしの勢いとを知らせよう。彼らはわたしの名が、主であることを知るようになる」。
21Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.
21「それゆえ、見よ、わたしは彼らに知らせよう。すなわち、この際わたしの力と、わたしの勢いとを知らせよう。彼らはわたしの名が、主であることを知るようになる」。