1Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
1七月のころ、王家のもので、エリシャマの子ネタニヤの子であり、また王の高官のひとりであるイシマエルは、王の十人のつかさたちと共にミヅパにいたアヒカムの子ゲダリヤのもとにきて、ミヅパで食を共にしたが、
2Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
2ネタニヤの子イシマエルおよび共にいた十人の者は立ち上がって、バビロンの王がこの地の総督としたシャパンの子アヒカムの子であるゲダリヤを刀で殺し、
3Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
3イシマエルはまたミヅパでゲダリヤと共にいたすべてのユダヤ人と、たまたまそこにいたカルデヤびとの兵士たちを殺した。
4Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
4ゲダリヤが殺された次の日、まだだれもその事を知らないうちに、
5dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
5八十人の人々がそのひげをそり、衣服をさき、身に傷をつけ、手には素祭のささげ物と香を携え、シケム、シロ、サマリヤからきて、主の宮にささげようとした。
6Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
6ネタニヤの子イシマエルはミヅパから泣きながら出てきて彼らを迎え、彼らに会って、「アヒカムの子ゲダリヤのもとにおいでなさい」と言った。
7Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
7そして彼らが町の中にはいったとき、ネタニヤの子イシマエルは自分と一緒にいた人々と共に彼らを殺して、その死体を穴に投げ入れた。
8Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
8しかしそのうちの十人はイシマエルに向かい、「わたしたちは畑に小麦、大麦、油、および蜜を隠しています、わたしたちを殺さないでください」と言ったので、彼らをその仲間と共に殺さないでしまった。
9Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
9イシマエルが自分の殺した人々の死体を投げ入れた穴は、アサ王がイスラエルの王バアシャを恐れて掘った穴であった。ネタニヤの子イシマエルは殺した人々をこれに満たした。
10Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
10次いでイシマエルはミヅパに残っているすべての民、すなわち王の娘たちと侍衛の長ネブザラダンがアヒカムの子ゲダリヤに託したミヅパに残っているすべての民とを捕虜とした。ネタニヤの子イシマエルは彼らを捕虜とし、アンモンびとのもとに渡り行こうとして立ち去った。
11Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
11カレヤの子ヨハナンおよび彼と共にいる軍勢の長たちはネタニヤの子イシマエルの行った悪事をみな聞き、
12dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory ao Gibeona izy.[Heb. ny rano be]
12その兵士たちを率いて、ネタニヤの子イシマエルと戦うために出て行き、ギベオンの大池のほとりで彼に会った。
13Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
13イシマエルと共にいる人々は、カレヤの子ヨハナンおよび彼と共にいる軍勢の長たちを見て喜んだ。
14Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
14そしてイシマエルがミヅパから捕虜にしてきた人々は身をめぐらしてカレヤの子ヨハナンのもとへ行った。
15Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
15ネタニヤの子イシマエルは八人の者と共にヨハナンを避けて逃げ、アンモンびとの所へ行った。
16Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
16そこでカレヤの子ヨハナンおよび彼と共にいる軍勢の長たちはネタニヤの子イシマエルがアヒカムの子ゲダリヤを殺して、ミヅパから捕虜として連れてきた、あの残っていた民、すなわち兵士や女、子供、宦官をギベオンから連れ帰ったが、
17ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama]tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
17彼らはエジプトへ行こうとしてベツレヘムの近くにあるゲルテ・キムハムへ行って、そこにとどまった。これは、ネタニヤの子イシマエルが、バビロンの王によってこの地の総督に任じられたアヒカムの子ゲダリヤを殺したことにより、カルデヤびとを恐れたからである。
18tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
18これは、ネタニヤの子イシマエルが、バビロンの王によってこの地の総督に任じられたアヒカムの子ゲダリヤを殺したことにより、カルデヤびとを恐れたからである。