1[Ny faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
1エルサレムのちまたを行きめぐり、見て、知るがよい。その広場を尋ねて、公平を行い、真実を求める者が、ひとりでもあるか捜してみよ。あれば、わたしはエルサレムをゆるす。
2Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
2彼らは、「主は生きておられる」と言うけれども、実は、偽って誓うのだ。
3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
3主よ、あなたの目は、真実を顧みられるではありませんか。あなたが彼らを打たれても、痛みを覚えず、彼らを滅ぼされても、懲しめを受けることを拒み、その顔を岩よりも堅くして、悔い改めることを拒みました。
4Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;
4それで、わたしは言った、「これらはただ貧しい愚かな人々で、主の道と、神のおきてを知りません。
5Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
5わたしは偉い人たちの所へ行って、彼らに語ります。彼らは主の道を知り、神のおきてを知っています」。ところが、彼らも皆おなじように、くびきを折り、なわめを断っていた。
6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]
6それゆえ林から、ししが出てきて彼らを殺し、荒野から、おおかみが出てきて彼らを滅ぼす。ひょうは彼らの町々をねらっている。そこから出る者はみな裂かれる。彼らの罪が多く、その背信がはなはだしいからである。
7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]
7「わたしはどうしてあなたを、ゆるすことができようか。あなたの子どもらは、わたしを捨てさり、神でもないものをさして誓った。わたしが彼らを満ち足らせた時、彼らは姦淫を行い、遊女の家に群れ集まった。
8Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.
8彼らは肥え太った丈夫な雄馬のように、おのおの、いなないて隣の妻を慕う。
9Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
9わたしはこれらの事のために彼らを罰しないでいられようか。このような国民にあだを返さないであろうか」と主は言われる。
10Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.
10「あなたがたはユダのぶどうの並み木の間を、のぼって行って、滅ぼせ、ただ、ことごとく滅ぼしてはならない。その枝を切り除け、主のものではないからである。
11Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
11イスラエルの家とユダの家とはわたしにまったく不信であった」と主は言われる。
12Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
12「彼らは主について偽り語って言った、『主は何事もなされない、災はわれわれに来ない、またつるぎや、ききんを見ることはない。
13Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.[Na: ny teny]
13預言者らは風となり、彼らのうちに言葉はない。彼らはこのようになる』と」。
14Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
14それゆえ万軍の神、主はこう言われる、「彼らがこの言葉を語ったので、見よ、わたしはあなたの口にあるわたしの言葉を火とし、この民をたきぎとする。火は彼らを焼き尽す」。
15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
15主は言われる、「イスラエルの家よ、見よ、わたしは遠い国の民をあなたがたのところに攻めこさせる。その国は長く続く国、古い国で、あなたがたはその国の言葉を知らず、人々の語るのを悟ることもできない。
16Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
16その箙は開いた墓のようであり、彼らはみな勇士である。
17Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
17彼らはあなたが刈り入れた物と、あなたの糧食とを食い尽し、あなたのむすこ娘を食い尽し、あなたの羊と牛を食い尽し、あなたのぶどうの木といちじくの木を食い尽し、またつるぎをもって、あなたが頼みとする堅固な町々を滅ぼす」。
18Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
18主は言われる、「しかしその時でも、わたしはことごとくはあなたを滅ぼさない。
19Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]
19あなたの民が、『どうしてわれわれの神、主はこれらのすべての事をわれわれになされたのか』と言うならば、あなたは彼らに答えなければならない、『あなたがたがわたしを捨てて、自分の地で異なる神々に仕えたように、あなたがたは自分のものでない地で異邦の人に仕えるようになる』と」。
20Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:
20これをヤコブの家にのべ、またユダに示して言え、
21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
21「愚かで、悟りもなく、目があっても見えず、耳があっても聞えない民よ、これを聞け。
22Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
22主は言われる、あなたがたはわたしを恐れないのか、わたしの前におののかないのか。わたしは砂を置いて海の境とし、これを永遠の限界として、越えることができないようにした。波はさかまいても、勝つことはできない、鳴りわたっても、これを越えることはできない。
23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
23ところが、この民には強情な、そむく心があり、彼らはわき道にそれて、去ってしまった。
24Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
24彼らは『われわれに雨を与え、秋の雨と春の雨を時にしたがって降らせ、われわれのために刈入れの時を定められたわれわれの神、主を恐れよう』とその心のうちに言わないのだ。
25Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
25あなたがたのとがは、これらの事をしりぞけ、あなたがたの罪は、良い物があなたがたに来るのをさまたげた。
26Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
26わが民のうちには悪い者があって、鳥をとる人のように身をかがめてうかがい、わなを置いて人を捕える。
27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
27かごに鳥が満ちているように、彼らの家は不義の宝で満ちている。それゆえ、彼らは大いなる者、裕福な者となり、
28Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.
28肥えて、つやがあり、その悪しき行いには際限がない。彼らは公正に、みなしごの訴えをさばいて、それを助けようとはせず、また貧しい人の訴えをさばかない。
29Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
29主は言われる、わたしはこのような事のために、彼らを罰しないであろうか。わたしはこのような民に、あだを返さないであろうか」。
30Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?
30驚くべきこと、恐るべきことがこの地に起っている。預言者は偽って預言し、祭司は自分の手によって治め、わが民はこのようにすることを愛している。しかしあなたがたはその終りにはどうするつもりか。
31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?
31預言者は偽って預言し、祭司は自分の手によって治め、わが民はこのようにすることを愛している。しかしあなたがたはその終りにはどうするつもりか。