Malagasy

Maori

Isaiah

31

1[Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
1¶ Aue te mate mo te hunga e haere ana ki raro, ki Ihipa ki te tiki whakauru, e okioki ana ki te hoiho; e whakawhirinaki ana ki te hariata, no te mea he maha, ki te kaieke hoiho ano, no te mea he nui te kaha; kahore ia e titiro ki te Mea Tapu o Ihar aira, kahore hoki e rapu tikanga ki a Ihowa!
2Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
2Otiia he whakaaro nui ano ia, ka takina mai ano te kino e ia, e kore ano ana kupu e unuhia e ia: engari ka whakatika ia ki te whare o nga kaimahi i te kino, ki nga whakauru o nga kaimahi i te he.
3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
3Na he tangata nei nga Ihipiana, ehara hoki i te Atua; he kikokiko ano hoki o ratou hoiho, ehara i te wairua. Te whakamarokanga mai o to Ihowa ringa, ka hinga te kaiawhina, taka tonu atu te tangata e awhinatia ana, a ka he ngatahi ratou.
4Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
4Ko ta Ihowa kupu hoki tenei ki ahau, Ka rite ki te raiona, ki te kuao raiona e hamama ana ki tana tupapaku, i te mea ka karangarangatia nga hepara tokomaha ki a ia, kahore ona wehi ki to ratou reo, e kore ano ia e whakaririka ki to ratou ngangau; ka pera ano te haerenga iho o Ihowa o nga mano ki te whawhai ki runga ki Maunga Hiona me to reira pukepuke.
5Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
5Ka rite ki nga manu e rere ana ta Ihowa o nga mano tiaki i Hiruharama, ka tiakina, ka whakaorangia, ka tika atu ia na runga, ka araaraia e ia.
6Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
6¶ Tahuri ki a ia, kua hohonu rawa nei ta koutou tutu ki a ia, e nga tama a Iharaira.
7Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
7A taua ra hoki ka whakahawea te tangata ki ana whakapakoko hiriwa, ki ana whakapakoko koura, i hanga e o koutou ringa ma koutou hei hara.
8Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
8Hei reira te Ahiriana ka hinga i te hoari, ehara na te tangata; a ka pau ia i te hoari, ehara i te tangata: a ka rere atu ia i te hoari, ka meinga hoki ana taitamariki kia utu takoha.
9Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
9A ka memeha tona kamaka, he wehi hoki, a ka mataku ona rangatira i te kara, e ai ta Ihowa, kei Maunga Hiona nei tana ahi, kei Hiruharama tana oumu.