1Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
1त्यसपछि दाऊद गए जोनाथन शहरमा फर्किए।
2[Ny nandosiran'i Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata] Ary Davida tonga tany Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
2दाऊद पूजाहारी अहीमेलेकलाई भेट्न नोब नाउँको शहरमा गए। अहीमेलेक दाऊदलाई भेट्न बाहिर गए। अहीमेलेक डरले कामिरहेका थिए। अहीमेलेकले दाऊदलाई भने, “तपाईं किन एकलै हुनुहुन्छ? तपाईंसित कोही पनि छैनन्?”
3Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
3दाऊदले अहीमेलेकलाई जवाफ दिए, “राजाले मलाई विशेष आदेश दिनुभएको छ। उहाँले भन्नु भएको छ, ‘यो यात्राको उद्देश्य कसैले पनि थाहा नपाओस्। कुनै पनि मानिसले थाहा नपाओस्। जो मैले भने।’ मैले आफ्ना मानिसहरूलाई कहाँ भेट्नुपर्ने हो बताइदिएको छु।
4Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
4अब यो भन तिम्रोमा खानेकुरो के छ? मलाई पाँचवटा रोटी वा जे छ देऊ।”
5Ary ny mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
5पूजाहारीले दाऊदलाई भने, “मेरोमा त्यस्तो साधारण रोटी छैन। तर मसँग केही पवित्र रोटी छन्, यदि तपाईंका अधिकारीहरूले कुनै स्त्रीहरूसँग सहवास गरेका छैनन्, भने यो रोटी खान सक्छन्।”
6Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
6दाऊदले पूजाहारीलाई जवाफ दिए, “आज भोलि हामीले कुनै स्त्री साथमा राखेका छैनौ। युद्धमा जाँदा हाम्रा मानिसहरू सधैं पवित्र भएर जान्छन् यहाँसम्म साधारण उद्देश्य सोध्न जाँदा पनि। आज त यो कुरा झन् साँचो हो कारण अति विशेष कुरा सोध्नु छ।”
7Ary ny mpisorona nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro nanesorana azy.
7त्यहाँ पवित्र रोटी बाहेक अरू कुनै रोटी थिएन। यसर्थ पूजाहारीले दाऊदलाई त्यही रोटी दिए। यो त्यही रोटी थियो जो पूजाहारीले परमप्रभुमा चढाएका थिए। पूजाहारीले प्रत्येक दिन त्यो रोटी बाहिर राखेर त्यसको सट्टामा ताजा रोटी राख्थे।”
8(Nefa nisy anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly izy.)
8त्यस दिन शाऊलका अधिकारीहरू मध्ये एकजना त्यहीं थिए। उनी हुन एदोमी दोएग। दोएगलाई त्यहाँ परमप्रभुको अघि राखेको थियो। दोएग शाऊलका गोठालाहरूका प्रमुख थिए।
9Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan'ny mpanjaka.
9दाऊदले अहीमेलेकलाई सोधे, “यहाँ एउटा भाला अथवा तरवार केही छ? राजाको ज्यादै जरूरी काम छ। मलाई छिटै जानु छ। मैले तरवार अथवा अन्य कुनै शस्त्र साथमा लिएर आइनँ।”
10Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
10पूजाहारीले भने, “यहाँ खालि एउटा तरवार छ त्यो पनि पलिश्ती गोल्यतको हो। तपाईंले एलाको बेंसीमा त्यसलाई मारेर लिएको तरवार हो। त्यो तरवार एउटा लुगामा बेह्रेर एपोदको पछाडि राखेको छ। यदि तपाईंलाई चाहिन्छ भने लिए हुन्छ।” दाऊदले भने, “त्यो मलाई देऊ। गोल्यतको जस्तो तरवार अरू कसैको छैन।”
11Ary Davida niainga nandositra tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany amin'i Akisy, mpanjakan'i Gata.
11शाऊलबाट भागेर दाऊद गातका राजा आकीश कहाँ पुगे।
12Ary hoy ny mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
12आकीशका अधिकारीहरूलाई यो राम्रो लागेन। तिनीहरूले भन्छन्, “यो दाऊद हो, इस्राएली भूमिको राजा। यो त्यही व्यक्ति हो जसको गीत इस्राएलीहरू गाउँछन्। तिनीहरू नाच्दै उसको बारेमा यस्तो गाउँछन्; “शाऊलले हजार शत्रुहरू मारे तर दाऊदले दश हजार मारे।”
13Ary dia nalatsak'i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an'i Akisy, mpanjakan'i Gata, indrindra izy.
13तिनीहरूले के भन्दैछन् दाऊदले ध्यान दिए। दाऊद गातका राजा आकीशसँग डराए।
14Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin'ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin'ny somony ny iviny.
14यसर्थ दाऊदले आकीश र तिनका अधिकारीहरू अघि बौलाहाको बहाना गरे। तिनीहरूका अघि दाऊदले बौलाहा भएको नाटक गरे। उनले मूल दोकामा नै थुके र दाह्रीमा थुक चुहुनु दिए।
15Ary hoy Akisy tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
15आकीशले आफ्ना अधिकारीहरूलाई भने, “हेर यो मानिसलाई! यो त पागल हो। यस मानिसलाई मेरो उपस्थितिमा पागल कार्य गर्न यहाँ ल्याउनु अवश्यक छैन। भविष्यमा फेरि यो मानिसलाई मेरो घरमा नल्याउनु।
16Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?