1[Ny nitoeran'i Davida tany Ziklaga tany amin'ny Filistina] Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
1तर दाऊदले आफैं सोचे, “शाऊलले मलाई एक दिन पक्रिएर मार्ने छ। सबभन्दा राम्रो मलाई यो हुन्छ पलिश्तीहरू भएकोमा भागेर जानु त्यसपछि शाऊलले मलाई इस्राएलमा खोज्न छोड्ने छ। त्यसरी म शाऊलबाट उम्कन सक्नेछु।”
2Ary niainga Davida nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata.
2यसरी दाऊद र तिनका 600 मानिसहरूले इस्राएल त्यागे। तिनीहरू माओकका छोरा आकीशकाँ गए। आकीश गातका राजा थिए,
3Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
3दाऊद, तिनका मानिसहरू र तिनका परिवार गातमा आकीशसँग बसे। दाऊदकी दुवै पत्नी तिनीसितै थिए। तिनीहरू यिज्रेली अनहीनोअम अनि कर्मेली अबीगेल थिए। अबीगेल नबालकी विधवा थिईन्।
4Ary nambara tamin'i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
4मानिसहरूले शाऊललाई भने कि दाऊद भागेर गात गए। यसर्थ शाऊलले दाऊदको पिछा गर्न छोडे।
5Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
5दाऊदले आकीशसँग भने, “यदि तपाईं मसँग प्रसन्न हुनुहुन्छ भने मलाई शहरमा एउटा ठाउँ तोकिदिनुहोस्। म तपाईंको सेवक मात्र हुँ। म त्यहाँ बस्नेछु, यहाँ राजधानीमा होइन।”
6Dia nomen'i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
6त्यस दिन आकीशले दाऊदलाई सिकलग शहर दिए। सिकलग चाहि त्यही दिन देखि यहूदा राजाहरूको वंशमा रहेकोछ।
7Ary ny andro nitoeran'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
7दाऊद पलिश्तीहरूसँग एक वर्ष चार महिना बसे।
8Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny tany Egypta.
8दाऊद र तिनका मानिसहरूले मिश्रमा अवस्थित तलैम देखि शूरका अमालेकी गशूर र गिज्रीहरूसित युद्ध गरे। दाऊदले तिनीहरूलाई हराएर सम्पत्ति लुटे।
9Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.
9दाऊदले त्यस इलाकाका मानिसहरूलाई हराए अनि सबैलाई मारे दाऊदले त्यहाँ भेडा, गाई-गोरू, गधा ऊँठ र लुगाहरू लुटे। ऊ फर्किए पछि यी लुटेकाहरू आकीशलाई दिए।
10Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
10दाऊदले धेरै पल्ट यसो गरे। प्रत्येक चोटि नै आकीशले कता कोसँग युद्ध गर्यौ भनेर सोध्थे। दाऊदले भन्थे, “मैले दक्षिणपट्टिको यहूदमाथि अथवा ‘मैले दक्षिणपट्टिको यरहमेलीमा,” अथवा “दक्षिणपट्टिको केनीहरूमाथि आक्रमण गरें ।”
11Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]
11दाऊदले गातमा कहिले पनि कुनै लोग्ने मानिस अथवा स्त्रीहरू जिउँदो ल्याएनन्। दाऊदले ठान्थे, “यदि मैले जिउँदो मानिस ल्याएँ भने वास्तवमा म के गर्दैछु, आकीशले थाहा पाउनेछ।” जब सम्म दाऊद पलिश्तीको भूमिमा बसे तिनले त्यसो गरे।
12Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]
12आकीशले दाऊदलाई पत्याउन थाले। आकीशले आफैलाई भन्थे, “अब दाऊदलाई आफ्नै मानिसहरूले घृणा गर्ने छन्। इस्राएलीहरूले दाऊदलाई साह्रै घृणा गर्नेछन्। अब दाऊदले सधैं मेरो सेवा गर्नेछ।”