Malagasy

Nepali

1 Samuel

29

1[Ny nanesorana an'i Davida tsy hiaraka tamin'ny miaramilan'ny Filistina] Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.
1पलिश्तीहरूले अपेकमा तिनीहरूका सबै सैनिक भेला गराए। इस्राएलीहरूले यिज्रेलको पानीको मुहान नेर छाउनी हाले।
2Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.
2पलिश्ती अगुवाहरूले सय र हजारको संख्यामा मानिसहरूलाई अघि बढाए। दाऊद र तिनका मानिसहरू आकीशको पछिल्तिर लागे।
3Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
3पलिश्ती कप्तानहरूले सोधे, “यी हिब्रूहरूले यहाँ के गर्दैछन्?” आकीशले ती कप्तानहरूलाई भने, “यिनी दाऊद हुनू। दाऊद शाऊलका अधिकारीहरू मध्ये एकजना थिए। दाऊद मसँग धेरै अघिदेखि छन्। शाऊललाई त्यागेर आए र मसँग बस्न थाले यता मैले कुनै भूल-त्रुटी दाऊदमा पाइनँ।”
4Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
4तर पलिश्ती कप्तानहरू आकीशसँग रिसाए। तिनीहरूले भने, “दाऊदलाई फर्काउनुहोस्। तपाईंले दिनुभएको शहरमा उ फर्कनु पर्छ। रणभूमिमा उ हामीसित जान सक्दैन। नत्रभने हाम्रो आफ्नै छाउनी भित्र शत्रु हुनेछ। उसले आफ्नो राजालाई खुशी पार्न हाम्रै मानिस मार्नेछ।
5Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
5दाऊद त्यही मानिस हो जसको विषयमा इस्राएलीहरू यसो भनेर गीत गाउँदै नाच्थेः “शाऊलले हजार शत्रुहरू मारे तर दाऊदले दश हजार मारे।”
6Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo ianao.
6यसकारण आकीशले दाऊदलाई बोलाएर भने, “जीवित परमप्रभुको नाउँमा, तिमी मेरो भक्त छौ। म अति प्रसन्नहुने थिएँ यदि तिमीले मेरा सेनामा योगदान दिएको भए। शुरूदेखि नै तिमी भरपर्दो भएका छौ। तर पलिश्ती सेनाहरूले तिमीलाई सहमति गर्न चाँहदैनन्।
7Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny Filistina.
7शान्तिसित फर्क, पलिश्ती कप्तानहरूका विरूद्धमा कुनै गलत काम नगर।”
8Fa hoy Davida tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
8दाऊदले सोधे, “मेरो गल्ती के हो?” जबदेखि म तपाईंकहाँ आएँ मेरो केही दोष पाउनु हुन्छ? मेरा मालिक मेरा परमप्रभु राजाको शत्रुहरूसित युद्धगर्न मलाई किन बाधा दिनुहुन्छ?”
9Ary Akisy namaly an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
9आकीशले जवाफमा भने, “मलाई थाहा छ तिमी असल मानिस हौ। तिमी परमेश्वरका स्वर्गदूत हौ। तर पलिश्ती सेनापतिहरूले भन्दैछन्, ‘दाऊद हामीसित युद्ध भूमिमा जान सक्दैन।’
10Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
10भोलि बिहानै तिमी र तिम्रा मानिसहरूसित मैले दिएको शहरमा फर्केर जाऊ। यसकरण घाम झुल्कनु अघि नै फर्केर जाउ।”
11Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
11यसकारण दाऊद र तिनका मानिसहरू बिहानै उठेर पलिश्ती देशतिर फर्के। बीचमा यता पलिश्तीहरू चाहिं यिज्रेल तिर बढ्ढे।