1[Ny nikambanan'i Josafata sy Ahaba hiady tamin'ny Syriana sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba, sy ny niverenan'i Josafata nankany Jerosalema] Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
1यहोशापात सित प्रशस्त धन-सम्पत्ति अनि सम्मान थियो। उसले आहाबसित उसको परिवारालाई विवाह गरेर सन्धि गरेका थिए।
2Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
2केही वर्ष पछि, यहोशापात आहाब सित भेट गर्न सामरिया शहरमा गए। आहाबले यहोशापात अनि तिनी सित भएका मानिसहरूका निम्ति धेरै भेडा अनि गाईहरू बलि चढाए। आहाबले रामोत गिलाद शहर माथि आक्रमण गर्न यहोशापातलाई उत्साहित तुल्याए।
3Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
3आहाबले यहोशापातलाई भने, “तपाईं म सित रामोत गिलाद माथि आक्रमण गर्न जानु हुन्छ?” आहाब इस्राएलका राजा थिए अनि यहोशापात यहूदाका राजा थिए। यहोशापातले आहाबलाई उत्तर दिए, “म तपाईं जस्तै हुँ अनि मेरा मानिसहरू तपाईंका मानिसहरू जस्तै हुन्। हामी युद्धमा तपाईंको साथ दिनेछौं।”
4Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
4यहोशापातले आहाबलाई यो पनि भने, “तर पहिला हामी परमप्रभुबाट संन्देश प्राप्त गरौं।”
5Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho ? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
5यसर्थ राजा आहाबले अगमवक्ताहरू एकत्रित गरे 400 मानिसहरू। आहाबले तिनीहरूलाई भने, “हामी रामोत गिलाद शहरको विरूद्ध लडाई गर्न जाऊँ कि नजाऊँ?” अगमवक्ताहरूले आहाबलाई उत्तर दिए, “जानुहोस्, किनभने परमेश्वरले तपाईंलाई रामोत-गिलादलाई परास्त गर्न दिनु हुनेछ।”
6Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
6तर यहोशापातले भने, “के यहाँ परमप्रभुको अगमवक्ता कोही छन्? हामीले परमप्रभुलाई उहाँका एक अगमवक्ताद्वारा याचना गर्न आवश्यक छ।”
7Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
7तब राजा आहाबले यहोशापातलाई भने, “यहाँ अझ पनि एक व्यक्ति छ। हामी तिनीद्वारा परमप्रभुसित सोध्न सक्छौं। तर म यो मान्छेलाई घृणा गर्छु, किनभने परमप्रभुबाट मेरो बारेमा तिनीसित असल संन्देश कहिल्यै हुँदैन। तिनीसित मेरा निम्ति सदैव नराम्रो संन्देश हुन्छ। त्यो मान्छेको नाउँ मीकाया हो। तिनी यिम्लाका छोरा हुन्।” तर यहोशापातले भने, “आहाब, तपाईंले त्यसो भन्नु हुँदैन।”
8Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.[Heb. ionoka]
8तब राजा आहाबले आफ्ना एक अधिकारीलाई बोलाए र भने, “चाँडो गर, यिम्लाका छोरा मीकायालाई यहाँ ल्याऊ।”
9Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
9आहाब इस्राएलका राजा अनि यहोशापात यहूदाका राजाले आफ्ना राज-पोशाक लगाएका थिए। तिनीहरू सामरिया शहरको सामुन्नेको द्वारको नजिक ढिकीमा आफ्ना सिंहासनमा बसेका थिए। ती 400 जना अगमवक्ताहरू दुइ राजाहरूका सामुन्ने आफ्ना संन्देश भनीरहेका थिए।
10Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
10सिदकियाह केनान नाउँका व्यक्तिका छोरा थिए। सिदकियाहले फलामका केही सींङ्गहरू बनाएका थिए। सिदकियाहले भने, “यही हो जो परमप्रभुले भन्नु हुन्छः ‘तपाईंहरूले यी फलामका सींङ्गहरू अरामी मानिसहरूलाई तिनीहरू ध्वंश नहुञ्जेल घोच्नलाई प्रयोग गर्नु हुनेछ।”‘
11Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
11सबै अगमवक्ताहरूले एकै कुरा भने। तिनीहरूले भने, “रामोत गिलाद शहरमा जानु होस्। तपाईंहरूले सफलता पाउनु हुनेछ अनि जित्नु हुनेछ। परमप्रभुले राजालाई अरामी मानिसहरूलाई परास्त पार्न दिनु हुनेछ।”
12Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
12मीकायालाई लिन गएका संन्देश वाहकले तिनलाई भने, “मीकाया, सुन, सबै अगमवक्ताहरूले एकै कुरा भने। तिनीहरू राजाले सफलता प्राप्त गर्नु हुनेछ भनी भन्दै छन्। यसर्थ तिनीहरूले जे भन्दै छन् त्यही कुरा भन। तिमीले पनि राम्रो कुरा भन।”
13Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
13तर मीकायाले भने, “परमप्रभु जीवित हुनुहुन्छ भन्ने कुरा सत्य भएझै म त्यही मात्र भन्न सक्छु जो मेरा परमेश्वरले भन्नु हुन्छ।”
14Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
14तब मीकाया राजा आहाब कहाँ आए। राजाले तिनलाई भने, “मीकाया युद्ध गर्नका निम्ति हामी रामोत-गिलाद शहर जानु कि नजानु?” मीकायाले उत्तर दिए, “जानु होस् अनि आक्रमण गर्नु होस्। परमेश्वरले तपाईंलाई ती मानिसहरूमाथि परास्त गर्न दिनु हुनेछ।”
15Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
15राजा आहाबले मीकायालाई भने, “धेरै पल्ट मैले तिमीलाई परमप्रभुको नाउँमा मलाई सत्य मात्र भन भनी प्रतिज्ञा गराएको थिएँ।”
16Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
16तब मीकायाले भने, “मैले इस्राएलका सबै मानिसहरूलाई पर्वतहरूमा छरिएका देखें। तिनीहरू गोठाला बिनाका भेडाहरू जस्तै थिए। परमप्रभुले भन्नुभयो, ‘तिनीहरूका कुनै अगुवा छैन। प्रत्येक व्यक्तिलाई सकुशल घर फर्किन देऊ।”‘
17Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
17आहाब, इस्राएलका राजाले यहोशापातलाई भने, “मैले तपाईंलाई भनेको थिएँ कि मीकायासित परमप्रभुबाट मेरो बारेमा राम्रो संन्देश हुँदैन। तिनीसित मेरो बारेमा नराम्रो संन्देश मात्र हुन्छ।”
18Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
18मीकायाले भने, “परमप्रभुको संन्देश सुन्नुहोस्ः मैले परमप्रभुलाई उहाँको सिंहासनमा बस्नु भएको देखें। स्वर्गका सम्पूर्ण सेनाहरू उहाँका वरिपरि उभिएका थिए, कोही उहाँका देब्रेतिर कोही उहाँको दाहिनेतिर।
19Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
19परमप्रभुले भन्नुभयो, ‘इस्राएलका राजा आहाबलाई रामोत गिलाद शहर माथि आक्रमण गर्न कसले फसाउँला जसमा कि तिनलाई त्यहाँ मारियोस्?’ परमप्रभुको वरिपरि उभिने विभिन्न आत्माहरूले भिन्न भिन्न कुराहरू भने।
20Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
20तब एउटा आत्मा आए अनि परमप्रभुको सामुन्ने अभिए। त्यो आत्माले भने, ‘आहाबलाई म छल गर्ने छु।’ परमप्रभुले त्यो आत्मालाई सोध्नु भयो” कसरी?”
21Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
21त्यो आत्माले उत्तर दिए, ‘म बाहिर जान्छु अनि आहाबका अगमवक्ताहरूका मुखमा झूँठो बोल्ने आत्मा हुनेछु।’ अनि परमप्रभुले भन्नुभयो, ‘तँ आहाबलाई छल गर्नमा सफल हुनेछस्। यसर्थ बाहिर जा अनि यसै गर।’
22Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
22“अब हेर आहाब, परमप्रभुले तपाईंका अगमवक्ताहरूको मुखमा झूँठो बोल्ने आत्मा हालिदिनु भएको छ। परमप्रभुले तपाईंलाई नराम्रो हुनेछ भनी भन्नु भएको छ।”
23Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
23त्यसपछि सिदकियाह मीकाया भएकहाँ गए अनि अनुहारमा हिर्काइदिए। सिदकियाहका पिताको नाउँ कनान थियो। सिदकियाहले भने, “मीकाया, परमप्रभुका आत्मा कुन बाटो गयो जब त्यो तँसित कुरागर्न म देखि गयो?”
24Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao. [Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
24मीकायाले उत्तर दिए, “सिदकियाह तिमी भित्रको एक कोठामा लुक्न गएको दिन तिमीले थाहा पाउनेछौ।”
25Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanana, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
25तब राजा आहाबले भने, “मीकायालाई लैजाऊ अनि त्यसलाई शहरका प्रशासक आमोन अनि राजाका छोरा योआशकहाँ पठाई देऊ।
26ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
26आमोन अनि योआशलाई भन, ‘राजा यो भन्नुहुन्छः मीकायालाई कैदखानामा हालिदेऊ। उसलाई केही नदेऊ खाली एउटा कैदीहरूलाई दिने रोटी र पानी बाहेक जबसम्म म युद्धबाट सुरक्षा सित फर्केर आउँदिन।”‘
27Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
27मीकायाले उत्तर दिए, “आहाब, यदि तपाईं युद्धबाट सुरक्षा सित फर्किएर आउनु भयो भने तब परमप्रभु म द्वारा बोल्नु भएको होइन।” उनले भने सबै तिमी मानिसहरु पनि मेरो कुरा सुन।
28Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
28यसर्थ इस्राएलका राजा आहाब अनि यहूदाका राजा यहोशापातले रामोत-गिलाद शहर माथि आक्रमण गरे।
29Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin'ny ady.
29राजा आहाबले यहोशापातलाई भने, “म लडाइँमा जानुको अघि आफ्नो रूप परिवर्त्तन गर्छु। तर तपाईं तपाईंको आफ्नै राज बस्त्र लगाउनु होस्।” यसर्थ आहाब इस्राएलका राजाले आफ्नो रूप परिवर्त्तन गरे अनि दुइ राजाहरू युद्धमा गए।
30Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
30अरामका राजाले आफ्ना रथका सेनापतिहरूलाई आदेशदिए। तिनले तिनीहरूलाई भने, “कुनै व्यक्ति सित नलड चाहे जतिकै महान वा तुच्छ होस्। तर आहाब, इस्राएलका राजासित मात्र युद्ध गर।”
31Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;
31जब रथका सेनापतिहरूले यहोशापातलाई देखे तिनीहरूले ठाने, “त्यहाँ इस्राएलका राजा आहाब छन्।” तिनलाई आक्रमण गर्न तिनीहरू यहोशापात तिर फर्के। तर यहोशापात कराए अनि परमप्रभुले तिनलाई सहायता गर्नु भयो। परमेश्वरले रथका सेनापतिहरूलाई यहोशापात देखि टाढा हुन दिनु भयो।
32ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
32जब तिनीहरूले देखे कि यहोशापात इस्राएलका राजा होइनन् तब तिनीहरूले तिनलाई खेद्न छाडे।
33Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.
33तर एक सैनिकले केही कुरामा लक्ष्य नगरी आफ्ना धनुबाट एक काँढ हाने। त्यो काँढले आहाब, इस्राएलका राजालाई लाग्यो। त्यसले आहाबको कवचको खुल्ला भागमा लाग्यो। आहाबले आफ्ना रथका साराथिलाई भने, “घुम, अनि मलाई युद्धबाट बाहिर लैजाऊ। मलाई चोट लाग्यो।”
34Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.
34त्यस दिन अत्यन्त भिषण युद्ध भयो। आहाब आफै उसको रथमा उभिए अनि साँझसम्म अरामीहरूको सामना गरिरहे। तब सूर्यास्त हुँदा, आहाबको मृत्यु भयो।