1[Ny nanjakan'i Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, no vao nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama, mpanjakan'ny Joda.
1योतामका छोरा आहाज पेकह रमल्याहका छोराको शासनकालको 17 औं वर्षमा यहूदाका राजा भए।
2Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida rainy izy;
2आहाज 20 वर्षका थिए जब तिनी राजा भए। आहाजले यरूशलेममा 16 वर्ष शासन गरे। आहाज आफ्ना पुर्खा दाऊद जस्ता थिएनन् आहाजले ती कामहरू गरे जसलाई परमप्रभुले गलत भन्नुभएको थियो।
3fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3आहाजले इस्राएलका राजाहरू जस्तै जीवन बिताए। उनले आफ्नो छोरालाई आगोमा बलि दिए। उनले राष्ट्रमा घोर पापको नक्कल गरे जसलाई परमप्रभुले इस्राएलीहरू आएको बेला देश छोड्न लगाउनुभयो।
4Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
4आहाजले अग्ला ठाउँहरू, पहाडको शिखर र प्रत्येक हरियो रूखतल बलिदानहरू अनि धूपबलिहरू जलाउँथे।
5Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
5अरामका राजा रसीन अनि इस्राएलका राजा रमल्याहका छोरा पेकह यरूशलेमको विरोधमा युद्ध गर्न आए, रसीन अनि पेकहले आहाजलाई घेरे तर जित्न सेकनन्।
6Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
6त्यस समयमा अरामका राजा रसीनले अरामका लागि एलत फिर्ता लिए। रसीनले यहूदाका सबै मानिसहरूलाई धपाए जो एलतमा थिए। अरामीहरू एलतमा बस्न थाले अनि तिनीहरू आज पनि त्यहाँ बस्दैछन्।
7Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
7आहाजले अश्शूरका राजा तिग्लत पिलेसेरकहाँ दूतहरू पठाए। सन्देश थियोः “म तिम्रो सेवक हुँ। म तिम्रो छोरा जस्तै हुँ आऊ अनि अरामका राजा तथा इस्राएलका राजाबाट मलाई बचाऊ। तिनीहरू मसित युद्ध गर्न आएका छन्।”
8Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
8आहाजले परमप्रभुको मन्दिर अनि राजाको घरको भन्डारमा भएको चाँदी र सुन निकाले। त्यसपछि आहाजले अश्शूरका राजालाई एउटा उपहार पठाए।
9Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
9अश्शूरका राजाले आहाजको कुरा सुने। अश्शूरका राजा दमीशकको विरोधमा युद्ध गर्न गए। राजाले शहर दखल गरे अनि दमीशकका मानिसहरूलाई बन्दी बनाएर किर लगे र उनले रसीनलाई पनि मारे।
10Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona.
10राजा आहाज अश्शूरका राजा तिग्लत पिलेसेरसँग भेट गर्न दमीशक गए। आहाजले दमीशक मा वेदी देखे। राजा आहाजले यस वेदीको नमूना र ढाँचा पूजाहारी ऊरियाहकहाँ पठाए।
11Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
11तब पूजाहारी उरियाहले दमीशकबाट आहाजले पठाएको नमूना जस्तै एउटा वेदी बनाए। पूजाहारी उरियाहले यस प्रकारको वेदी राजा आहाज दमीशकबाट फर्किनु अघि बनाए।
12Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
12जब राजा दमीशकबाट फर्किए उनले वेदी देखे। उनले वेदीमा बलिहरू चढाए।
13Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
13वेदीमा उनले आहाजले होमबलि अनि अन्नबलि चढाए। उनले आफ्नो अर्घबलि चढाए पनि अनि त्यस वेदीमा मेलबलिको रगत छर्किने काम गरे।
14Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
14आहाजले मन्दिरको सामु परमप्रभु अघि भएको काँसाको वेदी हटाए। यो काँसाको वेदी आहाजको वेदी अनि परमप्रभुको मन्दिरको माझमा थियो। आहाजले काँसाको वेदीलाई आफ्नो वेदीको उत्तर तिर राखे।
15Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
15आहाजले पूजाहारी उरियाहलाई एउटा आदेश दिए। उनले भने, “यस देशका मानिसहरूले बिहान होमबलि, बेलुकी अन्नबलि राजाको होमबलि राजाको अन्नबलि अनि साधारण मानिसहरूको होमबलि अन्नबलिहरू पेय बलिहरू चढाउँदा ठूलो वेदी प्रयोग गर। ठूलो वेदीमा बलिदान र अरू बलिहरूको रगत छर्कनु। तर म परमेश्वरसँग प्रश्न सोध्न काँसाको वेदी प्रयोग गर्नेछु।”
16Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
16उरियाह पूजाहारीले सबै काम गरे जस्तो राजा आहाजले आदेश दिएका थिए।
17Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]
17काँसाका पाटाहरू भएका गोरूगाडिहरू र हात धुने भाँडाहरू पूजाहारीहरूका लागि थिए। राजा आहाजले सबै पाटाहरू तथा भाँडाहरू निकाले। उनले ठूलो खँड्कुला पनि निकाले जसको तल काँसाका गोरूहरू उभिएका थिए। उनले ठूलो खँड्कुलो ढुंङ्गाको आधरमाथि राखे।
18Ary ny Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria.
18कर्मीहरूले विश्राम दिनको सभाका लागि मन्दिरभित्र एउटा छापको ठाउँ बनाए। आहाजले राजाको बाहिरी प्रवेशद्वार पनि हटाए। आहाजले यी सबै परमप्रभुको मन्दिरबाट निकाले। आहाजले यस्तो काम अश्शूरका राजाको कारणले गर्दा गरे।
19Ary ny tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
19सबै, कुराहरू जे जति आहाजले गरे ‘यहूदाका राजाहरूको इतिहासको’ पुस्तकमा लेखिएको छ।
20Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
20आहाज मरे अनि उनलाई दाऊदशहरमा पुर्खाहरूसँगै गाडियो। आहाजका छोरा हिजकियाह उनीपछि नयाँ राजा भए।